- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Jiolahy mpamaky trano, saron’ny polisy

Betafo : Jiolahy mpamaky trano, saron’ny polisy

Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana ao Betafo, tato ho ato izay. Nisesisesy ny vaky trano sy hala-botry, eny fa hatramin’ny sinto-mahery sy ny fanendahana dia lasa mahazo vahana. Maro ny tokantrano no efa lasibatr’izany ka velon-taraina. Tsy mipetra-potsiny anefa ny mpitadro filaminana fa manao izay ho afany ihany, saingy tsy kely làlana ny ratsy. Roa lahy  no saron’ny polisim-pirenena ao Betafo,  ny 7 Septambra lasa teo. Voalaza fa nagalatra vary 9 gony tao Imerimandroso fokontany Avaratsena. Fantatra fa mpamerin-keloka ny iray amin’izy ireo, matetika no miakatra fitsarana amina resaka vaky trano, saingy rehefa nahefa ny saziny tany am-ponja dia io mamerina io hatrany. Natolotra ny fampanoavana indray izany ingahy rainy sy ny namany ary mazava fa hiditra am-ponja. Miantso ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka ny mpitandro filaminana ao Betafo mba hampandre sy hilaza raha misy ahiahiana mahakasika ny tsy fandriam-pahalemana, fa hotazomina ho tsiambaratelo izany. Araky ny fanazavana, dia sahirana ny olona, maro no very asa noho ny valanaretina covid19 ka nampirongatra ny tsy fandriampahalemana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici