- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohijanaka : Tsy ampy taona nanao fanafihana mitam-piadiana

Ambohijanaka : Tsy ampy taona nanao fanafihana mitam-piadiana

Voarohirohy ho nandray anjara tamin’ny fanafihana mitam-piadiana izy sy ny olona enina hafa. Nisy vehivavy tao anaton’ilay tambajotra ary nisy tsy ampy taona koa dia ny tenany izany. Ny alin’ny 6 septambra teo no nitranga nt fanafihana teny Ambohijanaka. Basy roa no niasa dia poleta 9mm ary koa basilava 12mm. Olona teo an-toerana ihany no nampandre tsimoramora ny zandary izay nanao ny fanaraha-maso. Rehefa nandeha tokoa ny fisavàna dia tratra tao an-trano ny tranom-bala 15 isa. Natao ny fanamarinana rehetra ary voaporofo fa bala izay nampiasaina tamin’ilay fanafihana teny Ambohijanaka izany. Nitohy tamin’ny fisamborana ny asan’ny zandary. Ny lehilahy iray antsoina hoe David no azo voalohany. Io avy eo no nanondro olon-kafa izay nolazainy fa niara-nanatontosa ilay asaratsy. Nivezivezy teto an-drenivohitra ireo mpitandro ny filaminana nisambotra ny naman’i David. Nisy ny azo teny Soavimasoandro, ny teny Andohatapenaka. Ny ankamaroany kosa dia teny Ambohijanaka, raha araka ny fanazavan’ny zandary hatrany. Izany hoe manafika ny mpiray tanàna ihany izany izy ireo. Hita ihany koa ireo entan’olona izau very tamin’ny fanafihana ary porofo ara-pitsaràna entina anenjehana ireo mpanao ratsy izany. Mbola misy olona karohina amin’ity raharaha ity. Izy io no voatondro ho tompon’ny basy 9mm nampiasaina tamin’ny fandrobàna. Vao vita ny fanafihana dia avy hatrany dia niala teto an-drenivohitra izy ary nizotra any amin’ny faritra, raha araka ny fanazavana azo. Natolotra ny fampanovana omaly ireo olona fito izay efa voasambotra. Mitohy kosa ny fitadiavana ilay atidoha nikotrika.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici