Ny zoma teo no nampahalalana ireo mpivarotra akoho sy ireo mpivarotra kidoro “eponges” ao Bazary kely ny fanasorana azy ireo amin’ny toerany omaly alatsinainy. Raikitra izany ny alatsinainy teo saingy narahana romoromo ny fanalana ireo mpivarotra, satria nesorina izy ireo fa tsy hita ny toerana amindrana azy ireo, miala aloha ny baiko. Raha ny fanazavana nomen’ireo mpivarotra dia herisetra tsy misy fifanarahana ny fanalana azy ireo teo amin’ny toerany, satria izay tsy miala dia fiarabe mpanala fakon’ny kaominina no mandrava ilay tsena naorina. Ho an’ireto mpivarotra anefa, tsy nipetrapetraka fahatany izy ireo nipetraka teo fa noho fanamboarana ireo tsena teo amin’ny fiantsonan’ny fiara teo aloha, dia nafindran’ny ben’ny tanàna teo aloha teo amin’ity toerana nanesorana azy ity izy ireo. Raha izy ireo anefa no tokony hahazo ilay tsena vaovao natao teo amin’ny fiantsonan’ny fiara teo aloha tao Bazary kely, tokony hisy azy ireo, dia ireo mpivarotra hafa sy ireo mpivarotra enta-madinika indray no mivarotra ao ankehitriny. Ho an’ny ben’ny tanàna kosa dia ho fanatsarana ny tanànan’i Toamasina, mba hiverina amin’ny endriny teo aloha ny Bazary kely sy ny manodidina azy, no anton’ny fanesorana. Eo ihany koa ny fisian’ny valanaretina vokatry ny loto miseho (fièvre typhoide) eto Toamasina ankehitriny, noho io toerana io maloto sy be lalitra.
Malala Didier