- Publicité -
samedi, novembre 22, 2025
- Publicité -
AccueilCOVID-19Covid-19 eto Toamasina renivohitra : Henjehan’ny mpitandro ny filaminana indray ireo tsy...

Covid-19 eto Toamasina renivohitra : Henjehan’ny mpitandro ny filaminana indray ireo tsy manao aro vava-orona

Taorian’ny filazana fa miala anaty fihibohana i Toamasina, dia efa vitsy tamin’ireo vahoaka no nampiasa izany aro vava-orina izany amin’ny fiainany andavanandro. Niha-mafy izany tsy fanajana lalana izany tato ho ato ka voatery nandray fepetra mifanandrify amin’ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana amintsika mbola ao anatin’izao amehana ara-pahasalamana 15 andro izao indray. Nanomboka ny alarobia tolakandro teo, izay hetsika atao koa isaky ny tolakandro, dia manao hetsika misambotra ireo izay tsy manao ara vava-orona ny mpitandro ny filaminana tarihan’ny Emmo-Reg izay iarahan’ny zandary – polisy – ary ny tafika, ka ireo tratra tsy manao izany na manao izany fa tsy amin’ny fitoerany dia samborina ary atao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana ny Emmo-Reg avy hatrany. Efa maro no tratran’izy ireo tsy nanao izany tamin’iny herinandro nivalona iny, izay mbola mitohy ny hetsika amin’ity herinandro ity mandram-pahatapitry ny 15 andro ny amehana manaraka indray. Tsy maintsy manao ny asa fanerena iombonana (travaux d’interet general) ireo tratra aorian’ny fisamborana azy izay vao azo votsorana mody any an-tranony. Mimenomenona ny vahoaka vokatra izao hetsiky ny Emmo-Reg izao, nefa efa lalana navoakan’ny filoham-pirenena tamin’ny lahateny farany teo ny fanaovana sy fanohizana izany sazy izany amin’ireo tsy manaja ny lalan’ny aro vava-orona. Tsy ireo tsy manao aro vava-orona ihany no samborin’ny Emmo-Reg amin’izao hetsika ataon’izy ireo izao, fa eo koa ireo mpitangorongorona izay mbola tsy azo atao raha tsy misy antony ary tsy mihoatra ny 50 na 100 izany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici