Ny androan-tokon’ny asam-pitsarana izao dia reseka ady tany avokoa, hoy ny minisitry ny fitsarana, nandalo teto Toamasina, ny fiandohan’ny herinandro teo. Lasibatra hatramin’ny tanin’ny minisiteran’ny fitsarana mihintsy ny fangalaran-tany eto Toamasina, satria raha 100ha ny tanin’ny minisitera tao amin’ny sekoly ambony fanofanana ireo mpandraharaha ny fonja Antetezambaro teo aloha, dia zara raha misy 30ha izany amin’izao fotoana izao. Saika voafariparitra ireo mpandraharaha sy olon-tsotra avokoa ny ankamaroany, saingy tsy afa-manoatra ny minisiteran’ny fitsarana vokatr’izany noho ny antontan-taratasy mikasika ny taniny. Ny eto Toamasina renivohitra ihany koa dia tena mahazo vahana koa ity resaka hala-tany sy ady tany ity. Tao Tanambao II izay; dia efa nitrangan’izany vao haingana izay nahavitan’ireo mpangala-tany taratasy ara-dalana tamin’ny kaominina sy nanaovana taratasim-barotra ara-dalana mihitsy ihany koa. Raha nambara mantsy, fa ny taona 2016 ny fivarotana no natao tamin’izany, dia ny taona 2020 vao nisy ny fandoavam-bola. Noho ny olana nitranga tamin’ny fakana ny tany ihany koa, dia mifonja ny olona roa niambina ilay tany ankehitriny. Mbola mitohy ny raharaha mikasika ity ady tany ao Tanambao II ity, araka ny nambaran’ny mpisolovava ny tena tompon-tany, satria tsy manaiky ireo tena tompony noho izy ireo mbola mandoa hatramin’izao ny hetran’ilay tany nisy naka an-keriny. Nomarihan’ny minisitry ny fitsarana, fa mila mandinika tsara ny antony, ny fitrangany, ary ny lalàna misy ny mpiady amin’ity resaka tany ity, satria ny tena olana mikasika ity resaka tany ity eto amintsika dia ny tsy fahalalana ka betsaka ny manaotao foana. Nambaran’ny minisitry ny fitsarana hatrany, fa mila jerena sy havaozina ihany koa ny lalàna momba ny tany eto amintsika, fa efa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy ifotony ny ankamaroany.
Malala Didier