Niely tamin’ny haino aman-jery teto Antsirabe ny filazana sy fikarohana ity ramatoa ity; izay tsy hita nandritra ny roa andro. Marihina fa olon-dehibe tsy dia salama loatra izy io noho ny fahatapahana lalan-drà. Isa-maraina no mivoaka ny trano fonenany izy manatanja-tena. Ny Alakamisy 10 Septambra nefa no nahitan’ny mpiara-monina azy farany ary nihevitra ireto farany, fa mety ho nivoaka toy ny fanaony ihany izy. Tsy izay anefa no nitranga, fa ny zoma 11 Septambra taorian’ny fikarohana no nahafantarana fa maty nihidy tao amina efitra iray misy ny trano fonenany ihany izy. Ny fanadihadiana teny an-toerana no nahalalana fa maty nisy namono izy, satria mbola tazana teo amin’ny faritry ny tendany ny nanakendana azy ary voalaza fa nisy nanolana ihany koa.Tao amin’ny fokontany Atsinanan’Ivohitra no nisehoan’ity tranga ity, ny faramparan’ny herinandro lasa teo. Lehilahy niasa tao amin’ilay ramatoa no ipetrahan’ny ahiahian’ny mponina sy ny fianakaviany. Fantatra, fa ny alakamisy teo io lehilahy io no nilaza fa tsy hiasa ao aminy intsony ary nangataka ny karamany, ka teo no nahitana io lehilahy io farany. Tombana anefa izany, fa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana no tena hahalalana ny marina.
Andry N.