- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversPort-Bergé : Roa lahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Port-Bergé : Roa lahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Nisahotaka tanteraka ny tao an-tampon-tananan’i Port-Bergé, ny alatsinainy maraina teo, ary saika niafara hatramin’ny fanafihana ny biraon’ny mpitandro filaminana tany an-toerana mihitsy aza . Voafehy ihany ireto olona, saingy na izany aza dia efa nisy olona roa no namoy ny ainy tao anatin’izany.

Ny zava-nisy : ny alin’ny alahady teo dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany iray tao Port Bergé. Araka ny fampitam-baovao azo, dia roa lahy izy ireo, nitondra fitaovam-piadiana nanafika mpandraharaha iray tao an-toerana, raha mbola tao anaty torimaso ity farany. Tsy afa-nanoatra noho izany ireo tompon-trano, teo anatrehan’ny fitaovam-piadiana nentin’ireto roa lahy ireto ary nanaiky izay nolazain’izy ireo. Vola mitentina eo amin’ny roa tapitrisa ariary mahery teo no voalaza fa lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany. Rehefa azon’izy ireo moa ny vola dia nitsoaka toy ny tsy teo ireto roalahy. Haingana be kosa anefa taorian’izay ny antso vonjy nataon’ireo voatafika ary haingana toy izany ihany koa ny famonjena nataon’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana sy fikarohana ireo mpanafika. Tsy niandry ela tokoa araka izany dia voasambotra izy roa lahy ireto rehefa avy nifanenjehana tanaty elakelan-trano sy tanaty maizina tany, ary nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ireo mpitandro filaminana.

Nanomboka teo ny raharaha manga, satria raha naheno ny fanafihana nihatra tamin’ity mpandraharaha ity ireo fokonolona, dia samy nentanin-katezerana avokoa. Ny ampitso maraina (alatsinainy) araka izany, dia nandeha ny feo teo an-tanana, fa hoe mbola misy naman’ireto roa lahy nanao ny asa ratsiny ny alina mihaodihaody sy milasy ao amina hôtely iray eo an-tanana ihany. Fantatry ny rehetra avokoa moa ity toeram-pandraisana vahiny ity, ka dia nirohotra tany amin’io toerana io ireo fokonolona hisambotra ireto voalaza fa mpiray tsikombakomba amin’ireo mpanafika ireo. Efa-dahy izy ireo no tao amin’io hotely io. Ny roa, raha vao nahita ireo andian’olona maromaro dia nirifatra nitsoaka, raha tsy afa-bela kosa ireo namany roa lahy hafa. Ireto farany araka izany no nianjeran’ny hatezeram-bahoaka tao. Niharan’ny daroka sy vono isan-karazany ary dia io niafara hatramin’ny famoizan’izy ireo ny aina io mihitsy. Tsy nihanona fotsiny tamin’izany anefa ny hatezeran’ireo fokonolona, fa nisy nilaza fa mbola voatazona ao amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana any an-toerana ireo roa lahy tena nanao ny asa ratsy. Nitanjozotra nihazo io toerana ireo andian’olona ary efa nivonon-kanafika ity faritra ity mihitsy mba hamoahana ireo mpanafika.

Teo no voatery niditra an-tsehatra ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any an-toerana, niezaka nandamina ireo mponina tamin’ny fomba fandresen-dahatra rehetra. Nilamina ihany izy ireo nony farany, ary nanaiky ireo fandaminana napetraka. Efa mandeha araka izany ny fanadihadiana rehetra any an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici