- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna II : Lehilahy lehibe iray nitrandraka volamena maty tototry ny tany

Maevatanàna II : Lehilahy lehibe iray nitrandraka volamena maty tototry ny tany

Nitrangana loza nahafatesana olona ny fitrandrahana volamena, tao amin’ny fokontany Mhatsinjo ambany, ato anatin’ny  kaominina Maevatanàna faharoa. Lehilahy lehibe iray  no maty tototry ny tany, tamin’ny Asabotsy12 Septambra lasa teo, tokony ho tamin’ny folo ora maraina no fotoana nisehoan’ny loza. Tavela tany anaty lavaka halalina efa ho efapolo metatra, izay efa tototry ny tany avokoa ny vatana sy lohany. Na dia teo aza ny famonjen’ireo olona teny amin’ny manodidina, dia tsy nahitambokan’izany, satria efa ho adiny dimy vao afaka tao anaty tany ilay lehilahy lehibe. Raha ny fantatra, dia avy ao amin’io fokontany voalaza etsy ambony, ity olona namoy ny ainy ity. Araka ny tati-bovao voaray farany, tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia efa nalevina tamin’ny Alahady teo ny razana. Voalaza fa hoan-taonany teo izay no nisian’ity toeram-pitrandraha volamena ity, ary voasambany no nitrangana loza toa izao.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici