Tonga nanome voninahitra ny fanohanan-kevitra nataon’ireo tarika Alpha avy amin’ny andiany faha-XVI eo anivon’ny CEDS ny Ministry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard, ny talata lasa teo, tetsy amin’ny Imatep Ivandry. Nivohitra tamin’io fanohanan-kevitra ireo rahateo moa ny resaka fiarovana ny fari-dranomasin’i Madagasikara ; izay anjara asan’ny Tafika Malagasy. « Resahana mandrakariva noho ny maha nosy miavaka an’i Madagasikara, amin’ny lafiny iray fa indrindra noho ny fisian’ny lokan’ady ara-jeôgrafika, ara-tetipanorona sy ara-pihariana, ny filaminana an-dranomasina dia midika ho ezaka goavana atrehan’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ao anatin’ny fanavaozan-drafitra lalim-paka efa natomboka ». Marihana, fa niresaka manokana mahakasika ny ady amin’ny heloka bevava aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina ny lohahevitra notohanana tamin’io fotoana io. Tafiditra tsara ao anatin’izany ny fiarovana ny sisin-tany sy ny fari-dranomasina ; izay voalaza fa tsy misy ady miseho, saingy anjakan’ny jiolahin-tsambo sy ny fivezivezena tsy ara-dalàna kosa, ankoatry ny maha làlana fandalovan’ireo sambo vaventy. Nandritry ny fandraisam-pitenenan’Atoa Jeneraly no nisaorany ireto mpianatra ireto tamin’ny fahasahiana goavana nisafidy io lohahevitra io, izay tsy mora tokoa. « Nampahatsiahiviny ihany koa ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fametrahana ny rafitra sy ny fampitaovana ahafahana miaro ny fari-dranomasin’i Madagasikara izay maharakotra ireo Nosy kely manodidina »
m.L