- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversTrafikan-drongony : Mahalany eo amin’ny 30 fonosana isan’andro ny mpivarotra iray

Trafikan-drongony : Mahalany eo amin’ny 30 fonosana isan’andro ny mpivarotra iray

Matoa misy ny mpivarotra dia tsy maintsy misy ny mpanjifa, mazava ho azy ! Ary mety maro izany mpanjifa izany matoa misy foana ihany koa ireo olom-baovao mirotsaka amin’ireo sehatra io. Voalaza mihitsy aza moa fa mety mahalany fonosana manodidina ny 30 isan’andro eo ny mpivarotra iray. Fivarotana sy fifohana rongony eto no resaka !

Ny alakamisy lasa teo tokoa dia nisy angom-baovao azo teo anivon’ireo polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina mahakasika ny fisiana olona mivarotra rongony eny amin’iny faritra Ankaraobato sy ny manodidina iny. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireto mpitandro filaminana ireto ka lehilahy iray manodidina ny 34 taona no tra-tehaka teo am-pivarotana rongony milanja eo amin’ny 3 kilao eo ho eo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena. Ny tena nahatalanjona, tamin’ny famotorana natao azy no nahafantarana fa tsy zava-panaony ny mivarotra rongony. Vao sambany ingahirainy no mba nirotsaka teo amin’io sehatra ary dia izao tra-tehaka izao. Asa nihevitra angamba fa fitadiavam-bola haingana, sady be mpanjifa ka iny fa nalaim-panahy niroboka kanjo tafajoboka soa aman-tsara araka ny fitenin’ny tanora. Fantatra tamin’ny famotorana ihany moa fa olona sendra nandalo no nivarotra ireto rongony ireto taminy. Novidiana 150000Ar izany ary nokasaina hangalana tombony hamidy 170000Ar.

Mety hisy fahamarinany ihany tokoa ny eritreritr’ity ranamana ity ! Milaza miara-mahita avokoa angamba ny rehetra eo anoloan’ny fahabetsahana sy fitomboan’ireo karazan’olona maro, tsy hanavahana, mandray itony karazana zava-mahadomelina itony, eny fa na dia eo aza ny ezaka ataon’ireo mpitandro filaminana amin’ny fisamborana ireo mpivarotra sy ireo mpividy. Nambara mantsy fa ny mpivarotra iray itony zava-mahadomelina itony dia mety mahalafo hatrany amin’ny 30 fonosana isan’andro (mety kajy ambany angamba), araka ny filazan’ny lehilahy iray izay tra-tehaky ny polisy ihany koa teny amin’iny faritra Sabotsy Namehana iny, alakamisy lasa teo ihany. Tamin’ny fotoana nisamborana ity lehilahy ity moa dia mbola nahitàna fonosan-drongony aman-jatony tany aminy, izay notetehiny ho laniana ao anatin’ny fotoana vitsy angamba. Enin-jato ariary no handraisany ireo fonosan-drongony ary hamidy amin’ny vidiny arivo ariary. Efa samy natolotra ny Fampanoavana omaly avokoa moa izy roalahy mpibizna rongony ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici