Natomboka omaly zoma ny fametrahana ny vato fehizoro ny fanamboaran-dalana mampitohy ny lalam-pirenena faha-02 (RN2) sy ny lalam-pirenena faha-05 (RN5), izay hiarahana amin’ny orinasa Tsaravintana. Ny faritra atsinanana amin’ny alalan’ny volan’ny tamberim-bidy avy amin’Ambatovy no hanaovana ny asa izay mahatratra 2,5 miliara ariary. Misy koa ny fiaraha-miasa avy amin’ireo mpandraharaha ara-toe-karena eto Toamasina amin’ny fanampiana samy hafa ara-pitaovana izay mahatratra 100 miliara ariary eo. Mirefy 07Km latsaka ny lalana hamboarina manomboka eo amin’ny orinasa Somalaval amin’ny RN2 Mangarano II hatrany amin’ny orinasa SMCC amin’ny RN5 Analamalotra. Nambaran’ny governora ny faritra atsinanana Atoa Rafidison Richard Théodore, fa tsy maintsy ahitam-bokatra arakasa ny volam-bahoaka ka hisy fiantraikany amin’ny fiainany izany. Ho fanamaivanana ny fitohanan-dalana eto an-tampon-tananan’i Toamasina indrindra ao Mangarano I sy ny fanafainganana ny fifandraisan’ny lalam-pirenena roa RN2 sy RN5 izao fanamboarana atao izao. Vola madiodio ny faritra ny fanamboarana rehetra, tahak ireo lalana 10Km izay tsy maintsy hamboarina eo anivon’ny faritra miisa distrika 07. Efa vita 50% izay ny asa fanamboaran-dalana lalam-bato ao Antanambao Manampontsy, ny ao Marolambo ary ny ao Brickaville; efa vita 50% ihany koa ny lalana simenitra hatao ao Vatomandry sy Mahanoro. Nomarihan’ny govenora Atoa Rafidison Richard hatrany, fa ho vatsiana andrin-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ireo lalana amboarina rehetra ireo. Ny tanjona ao anatin’ny asa atao dia “Sady mampiova fiainan’ny vahoaka, no ho lovain’ny taranaka”. Alohan’ny faran’ny taona izao no ho vitaina ny asa fanamboarana ity lalana “By-Pass” amin’ny RN2 sy RN5 ao Mangarano II; izay tsy maintsy ho vitaina alohan’ny faran’ny taona ihany koa ireo fanamboarana hafa efa mandeha toy ny Lycée Agricole sy ny Epp Manaram-penitra ao Brickaville, ny Lycée manaram-penitra ao Fanandrana vita amin’ny 70%, ary ny Lycée manaram-penitra ao Antanambao Manampontsy vita amin’ny 60% ankehitriny.
Malala Didier