- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversFisolokiana avo lenta : Mpivady nidoboka am-ponja

Fisolokiana avo lenta : Mpivady nidoboka am-ponja

Mpivady, ramatoa lehibe iray ary lehilahy iray hafa, nadoboka am-ponja avy hatrany. Tsy misy tandroka ary tsy hita eny amin’ny endrika ivelany ny maha-mpanao ratsy ny olona iray ! Ramatoa efa nahazo taona iray, niaraka tamin’ny vehivavy iray sy lehilahy no indray no nadoboka am-ponja rehefa fantatra tamin’ny fanadihadiana natao, fa tompon’antoka tamina  fisolokiana avo lenta, izay nampitondra faisana olona maro teto an-dRenivohitra. Vary am-polony taonina maro, menaka aman’arivony litatra, kojakoja fanamboarana trano mitentina eo  an-jatony tapitrisa ariary latsaka eo ho eo … Tsy resaka fisolokiana madinidinika intsony ny an’izy efatra ireto, fa efa amin’ilay ambony karazana. Araka ny fanazavana, dia niainga tamin’ny fanadihadiana nataon’izy ireo taorian’ny fahatrarana ilay menaka iray kamiao voahodinkodina tetsy Itaosy . Nandray an-tanana avy hatrany ny raharaha ary tsy namotsotra izany raha tsy izao hita izao ireo tompon’antoka, ireo mpanao fanadihadiana avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany, Analakely. Milaza ho mpanao asa soa sy mitana fikambanana isan-karazany mantsy ireto olona ireto, ary ity vehivavy  (60 taona) no manao tsara resaka amin’izay olona ataon’izy ireo lasibatra. Iza tokoa moa no tsy hino olona antitra ? Manginy fotsiny ny fomba fandresen-dahatra isan-karazany amin’ny alalan’ny fiteny sy ny fihetsika. Rehefa mandry ny resaka, dia miditra an-tsehatra ireo namany, mitondra taratasim-bola, izay mazava ho azy fa na sandoka na halatra. Efa betsaka ireo voasolokiny sy nivadihan’izy ireo fitokisana, hoy hatrany ny polisy. Taorian’iny resaka menaka iray kamiao iny tokoa dia niroso tamin’ny fikarohana ireo tompon’antoka ny polisy. Tratra teny Andraisoro ilay vehivavy lehibe, milaza fa tompon’ireo fikambanana mpanao asa soa. Nibaradaka ity farany ka nanoro ny nisy an’ilay lehilahy iray hafa tetsy Andraharo. Ireo mpivady kosa dia noraisim-potsiny teny Ambohibao Antehiroka. Tamin’ny fisamborana azy ireo, dia fantatra ihany koa fa efa nisy fitoriana nipetraka momba azy efatra mianadahy ireto ihany, mahakasika fanodinkodinana vary milanja 97 taonina indray. Tsy vitan’izay anefa, fa mbola nisy ihany fitarainana voaray mahakasika ny fanodinkodinana « carreau » sy fitaovana ao amin’ny « douche » sy « wc », izay mitentina eo amin’ny 91 938 800 Ar. Natolotra ny Fampanoavana ny sabotsy lasa teo moa ity tambazotra mpisoloky ity, ary fantatra fa nandraisan’ireo mpitsara mpanao famotorana fanapahan-kevitra ny hampiditra azy ireo am-ponja vonjimaika etsy Antanimora, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici