Omaly alahady no nampiantso ireo mpampianatra sy ireo lehiben’ny ivon-toeram-panadinana 06 teto Toamasina, hanamarina ny tahan’ny mpiadina nafahana ny lehiben’ny Cisco Toamasina renivohitra. Notapahana tamin’izany, fa 09/20 no ahafahana noho ny olan’ny fampianarana malagasy nateraky ny covid-19, ka nahatratra 84,95% ny tahan’ny fahafahan’ny mpianatra tamin’izany. Raha atao ny fampitahana dia nisy fiakarany kely 01% ny taha raha noharina tamin’ny taona 2019 izay nahatratra 83,34%. Mpiadina 6.012 tamin’ireo mpiadina ankapobeny niisa 7.402 nanesorana ireo tsy tonga 325 no afaka soa aman-tsara tamin’izao fanadinana CEPE 2020 izao teto Toamasina. Raha ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco Toamasina renivohitra, dia nahatratra 19,80/20 ny naotin’ny mpianatra ambony indrindra, ka mpianatra avy ao amin’ny sekolin’ny masera antsoina hoe R/kely Andriantoy Claire Anyah avy amin’ny sekoly masindahy Jean Depot Analakininina no nahazo izany naoty izany. Ny faharoa kosa dia mbola sekolin’ny masera ihany, tamin’ny alalan’ny R/Kely Nomeniavo Valisoa Miora no nahazo izany, avy ao amin’ny sekoly Marie Javoué Mangarivotra no nahazo izany tamin’ny naoty 19,70/20. Ny fahatelo hatramin’ny faha-10 ihany koa dia saika ny sekolin-dry Masera avokoa tamin’ny alàlan’ny sekoly Saint Joseph de Cluny. Afaka herinadro eo dia hivoaka ihany koa ny valin’ny fifaninanana hidirana 06ème eny amin’ny CEG misy eto Toamasina, hoy ny lehiben’ny Cisco Toamasina renivohitra, mba hahafahan’ny ray aman-dreny manomana ny fidiran’ny mpianatra manaraka. Hatao manomboka anio alatsinainy 21 septambra hatramin’ny alakamisy 24 septambra kosa ny fanadinam-panjakana faharoa, amin’ity taona ity, dia ny BEPC izany. Mpiadina amin’ny sokajy roa A sy B miisa 6.537 no hiatrika izany. Efa vonona amin’ny fitaovam-panadiovana ampiasain’ny mpianatra ny Cisco Toamasina renivohitra, satria tsy afaka miditra anaty efitranom-panadinana ny mpiadina, raha tsy avy manasa tànana. Tsy afaka miditra toeram-panadinana kosa ireo ray aman-dreny manatitra ny zanany. Mety ho ny fiandohan’ny volana oktobra any ho any no mivaly ny fanadinana, saingy miankina amin’ny mpitsara izany.
Malala Didier