- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : « Fourgon » nifandona tamina taxi-brousse, roa maty, 10 naratra, iray very saina

Ambatolampy : « Fourgon » nifandona tamina taxi-brousse, roa maty, 10 naratra, iray very saina

Vao andro vitsy monja no nisokafan’ny lalana dia namoa-doza sahady iny lalam-pirenena fahafito iny. Aina roa be izao no nafoy omaly antoandro tao anatin’ny fifandonana fiara Mercedes 612D « fourgon » iray sy fiara Sprinter, taxi-brousse zotra regionaly iray.

Tokony ho tamin’ny roa ora latsaka fahefany tolakandro tany ho any no niseho ny loza araka ny fanomezam-baovao avy amin’ireo zandary misahana ny fifamoivoizana tany an-toerana, teo amin’ny fokontany antsoina hoe Amboniriana, ao amin’ny kaominina Andriambilany, distrikan’Ambatolampy. Ilay fiara voalohany, izany hoe ilay fiara mpitatitra entana no hita nikivilavila voalohany raha vao nivoaka fiolanana ary nihazo lala-mahitsy hiakatra aty an-drenivohitra. Heverina, hoy ireo mpanao fanadihadiana, fa mety ho nisy olana teo amin’ny lafiny -teknikan’ny fiara na tsy voatan’ny mpamily intsony ny familiana noho ny fandehanana mafy. Tamin’io fotoana io indrindra anefa no nifanena tamin’ny fiara mpitatitra iray izy. Niezaka niala ity farany raha tena nangalatra tany amin’ny lalany io fiara nifanena taminy saingy tsy afaka. « Tanimbary andaniny sy ankilany ny lalana ka tsy nisy azo nialàna » hoy hatrany ireo mpitandro filaminana. Tsy azo nihodiovirana araka izany ny loza. Nokasohan’ilay fiara 612D tamin’ny ilany havia, nanomboka tany amin’ny lohany ka hatrany amin’ny vodiny ity taxi-brousse. Noho ny vesatra tsy mitovy dia tafapitika teny an-tanimbary ity farany, niaraka tamin’ireo mpandeha tao anatiny. Ilay « fourgon » kosa nihilana sy nivadika ary nigorisa tamin’ny ilany havia. Tsy nijanona raha tsy tany ho any amin’ny 100 metatra nisian’ny fifandonana.

Vao nahita ny loza nitranga moa ireo fokonolona teo amin’ny manodidina dia samy niolomay nanao izay vitany avokoa tamin’ny famonjena ireo mpandeha niharan-doza. Vetivety ihany koa dia tonga teo an-toerana ireo zandary any amin’iny faritra iny, nanampy tamin’ny famonjena sy nisikotra ireo olona tao anatin’ilay sprinter. Lehilahy roa, 40 taona sy 60 taona no maty tsy tra-drano vokatr’ity loza mahatsiravina ity raha ny fanomezam-baovao azo hatrany. Mpandeha manodidina ny 10 eo kosa no naratra tao anatin’izany, ary nisy ny tena voa mafy tokoa. Efa samy nentina nihazo toeram-pitsaboana avokoa moa izy ireo, raha ny voalaza hatrany. Ireo roa lahy namoy ny ainy kosa efa nalefa eny amin’ny tranom-paty miandry ny fakàn’ny fianakaviany azy. Fa tetsy andanin’izay, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny filaminana tany amin’iny toerana iny ihany dia tsy nisy naninona ireo olona telo tao anatin’ilay fiara mpitondra entana. « Ny mpamily no somary naratra kely. Voadona mafy teo amin’ny lohany ihany koa angamba fa hita ho very saina tanteraka amin’izao ary mila fitsaboana maika, hoy ny mpitsabo. Araka izany, miandry ny fitsaboana vita tanteraka vao afaka manokatra ny fanadihadiana mahakasika ity loza ity izahay ».

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici