- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora : Vehivavy roa lasan’ny rano, mbola tsy hita ny iray

Alasora : Vehivavy roa lasan’ny rano, mbola tsy hita ny iray

Tovovavy iray 18 taona sy vehivavy iray 30 taona no indray tsy hita popoka omaly, tetsy Mandrangobato, fokontany Ambohitromby Alasora, rehefa nanasa lamba teo amoron’Ikopa.

Tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany tany ho any no niseho ny loza, araka ny tati-baovao azo. Niaraka nanasa lamba teo amoron-drano teo ihany izy roavavy ireto tamin’io fotoana io no tampoka teo, nisolifatra ary latsaka tanaty rano ilay iray. Niolomay namonjy azy vokatr’izany ilay namany kanjo noho ny hamehana sy fahatairana dia latsaka tanaty rano ihany koa izy. Olona sendra nandalo teny an-toerana moa, araka ny vaovao hatrany no nahita ny zava-nisy ary nampilaza avy hatrany ny manodidina sy niezaka niantso vonjy tamin’ireo mpitandro filaminana sy ny mpamonjy voina. Nidina avy hatrany teny an-toerana nisehoan’ny loza moa ireto farany niaraka tamin’ireo fitaovana fikarohana olona latsaka an-drano ary tonga afaka fotoana vitsy. Niezaka nikaroka azy ireo tao anatin’ny minitra maromaro mihitsy moa ireo mpamonjy voina saingy iray tamin’izy ireo ihany no hita, ilay vehivavy 30 taona. Saingy indrisy moa fa efa vatana mangatsiaka sisa no nampiakarina avy anaty rano. Ilay tovovavy 18 taona kosa mbola hita hatramin’ny hariva teo, araka ny fampitam-baovao azo hatrany. Mbola manohy ny fikarohana azy moa ireo tompon’andraikitra amin’izany,  hatramin’ny ora nanoratanay omaly. Ny razan’ilay vehivavy voalohany kosa dia efa nomena ny fianakaviana taorian’ny fitsirahana nataon’ny mpitsabo. Marihana fa samy monina eny amin’iny faritra iny izy roavavy ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici