Lehiben’ny dahalo iray, mpanao fanafihana mitam-piadiana no azon’ny fokonolona sambom-belona tany amin’iny kaominina ambanivohitra Bemokotrà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny farany herinandro lasa teo. Sarona nandritra izany ihany koa ny moara sy ireo omby misa telo vao nangalariny. Izany dia noho ny fiaraha-miasan’ny dinam-pokonolona sy ny mponina any an-toerana. Anisan’ny fomba fiasa ahazoana vokatra tsara toy izao ny fanomezam-boavao marim-pototra. Heno mantsy fa nitondra omby nagalarina avy any Ambatoboeny hianatsimo ny lehilahy. Nisy avy hatrany sakana nataon’ny fokonolona, ary rehefa nahatazana izany izy dia nitsoaka, ka raikitra ny fifananejehana sy ny fifandonana. Teo no nahazona sambo-belona azy, tamin’izany. Araka ny fanazavana azo dia nogiazina natao « vala forera » ao Bemokotrà ireo omby ireo miandry ny tompony. Ary efa natolotra ny mpikambana ao amin’ny dinam-pokonolona any an-toerana ao amin’ny Zandary io lehiben’ny dahalo fantatra ny be sy ny maro amin’ny anarana hoe Rapa io. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ataon’ny mpitandro ny filaminana ireo namany.
Ratantely