- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversBEPC Toamasina renivohitra : Niisa 356 ireo tsy tonga niatrika ny fanadinana omaly

BEPC Toamasina renivohitra : Niisa 356 ireo tsy tonga niatrika ny fanadinana omaly

Niakatra be ny tahan’ny tsy fahatongavana tamin’ny fanadinam-panjakana BEPC ity teto Toamasina renivohitra omaly, nahatratratra 356 be izao ny isan’ireo tsy tonga tamin’izany, raha manodidina ny zato eo ho eo no tsy tonga hatramin’izay. Tsy fantatra loatra ny anton’ity tsy fahatongavana teto Toamasina renivohitra ity. Raha ny isan’ny mpiadina dia 6.357 ny eto Toamasina renivohitra, miisa 19.055 izany ato anatin’ny faritra Atsinanana. Foibem-panadinana miisa 14 no mandray ireo mpiadina ireo eto amin’ny CISCO Toamasina renivohitra, miisa 56 kosa izany ato anatin’ny faritra Atsinanana. Iray isaky ny distrika fito ato anatin’ny faritra kosa ny toerana hitsarana ny fanadinana, hoy Atoa Marolahy Joseph, lehiben’ny Cisco Toamasina renivohitra. Nosokafana omaly ihany koa ny fanadinam-panjakana BEP ho an’ny mpianatra teknika. Mpiadina 851 amin’ity fanadinam-panjakana ity no eto anivon’ny faritra Atsinanana, raha miisa 676 izany ho an’i Toamasina renivohitra. Foibem-panadinana efatra no hanaovana izao fanadinana BEP ho an’ny fampianarana taknika izao, misy roa kosa ao Vatomandry sy Mahanoro, hoy Atoa Sadany Rivo Albert avy amin’ny fampianarana teknika eto Toamasina. Napetraky ny governora ho zava-dehibe ny fanadinam-panjakana mandeha amin’izao fotoana izao, ka izy mihitsy no nidina ifotony nijery sy nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izany fanadinam-panjakana izany. Ny prefen’i Toamasina kosa nandritra izany dia tara lava, ka teny am-panidinana vao nijapy ny zava-nisy. Ankoatra izany dia nohamafisina ihany koa ny fiambenana ny toeram-panadinana rehetra eo anivon’ny faritra Atsinanana. Natao izany hisorohana ny trangam-pandikan-dalàna.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici