- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversIkalamavony : Manakorontana ny fiarahamonina i Pety Rakotoniaina

Ikalamavony : Manakorontana ny fiarahamonina i Pety Rakotoniaina

Miantso vonjy amin’ny fitondram-panjakana, hamaha ny olam-piarahamonina ateraky ny fanakorontanana ataon’ny solombavambahoaka teo aloha Pety Rakotoniaina, efa am-bolana maromaro ankehitriny, ny vahoakan’ny distrikan’Ikalamavony. Mitaraina ireo mponina any an-toerana ny amin’ny fandrobana ny fananan’ny tantsaha, arahana fandrahonana hanagadra azy ireo ataon’ity mpanao politika ity. Tany sy omby maro no efa azony tamin’izany raha araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny olobe avy any amin’ny kaominina Fitampito, izay toerana fiavian’i Pety Rakotoniaina. « Efa fanaony tamin’ny fotoana nitondrany fanjakana ny fakana fananan’olona an-keriny toy izao, saingy niato kely izany hatramin’ny nitazonana azy tany am-ponja, ka izao averiny izao indray », hoy ihany ity olobe ity nanamafy. Noraisiny ho ohatra amin’izany ny nanjo ity raim-pianakaviana izay voalaza fa havan’i Pety Rakotoniaina ihany, nefa dia nivadihany tsotra izao ka nakany am-pitaka ny tanimbariny tao Miandralanitra, fokontany Lainjanony, kaominina Fitampito. « Nolazainy, fa azony tamin’ny lavanty, fony izy mbola ben’ny Tanànan’i Fianarantsoa  ny tanimbarinay ka nampandroahany vadintany izahay sy ny mpifanila vodirindrina taminay, rehefa tsy nanaiky handoa vola 10 tapitrisa ariary taminy », hoy ny tompon-tany. Tsy nisy akory anefa io lavanty io na dia nampiseho taratasy nilaza izany aza izy. Afaka nanaporofo ny maha hosoka izany teo anatrehan’ny Fitsarana moa ilay voasoloky, raha niakatra Fitsarana ity raharaha ity, ny herinandro lasa teo, ka dia naverin’ity farany tamin’ny tompony soa aman-tsara io tanimbary io ankehitriny. Miangavy ny fandraisana andraikitra avy amin’ny Fitondram-panjakana ary ny mponina any Ikalamavony mba hahafahan’izy ireo hiaina milamina sy hiroso amin’ny asa fampandrosoana ity faritra ity.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici