Noho tsy fifankaha zoan’ireo dahalo teo am-pizarana ireo « remby » azon’izy ireo, dia nisy fifamaliana ary niafara hatramin’ny fifampitifirana mihitsy aza moa izany, tany amin’iny distrikan’Ikalamavony iny, ny faran’ny herinandro teo. Toe-javatra izay nanamora ny asan’ireo mpitandro filaminana ! Dahalorain-dahiny roa antsoina hoe Bemainty sy ny rahalahiny antsoina hoe Namby no maty voatifitry ny zandary tao amin’ny kaominina Ambatomainty, distrika Ikalamavony. Fantatra fa lehiben’ny dahalo any amin’iny faritra iny izy ireo. Raha ny fanazavana azo, dia nisy ny fifamaliana teo amin’i Bemainty sy ireo miaramilany mahakasika ny fomba hizaràna ireo omby halatra azon’izy ireo tao Antsoro, fokontany Mahasoa. Tonga hatramin’ny fandraisana fitaovam-piadiana izany fifamaliana izany ka dia naratra voan’ny bala ilay lehiben’izy ireo. Nentina niakatra tanàna, nikarohana fitsaboana ihany moa ity farany, narahana dahalo teo amin’ny 11 lahy teo. Tao amin’ny fokontany Ivola izy ireo no nahita mpitsabo, kanefa tamin’izay ihany koa dia nigadona tao an-tanana ireo zandary, izay efa nahazo filaz ana mialoha. Raikitra tamin’izay indray ny fifandonana teo amin’ny tarik’iBemainty sy iretsy zandary. Voalazan’ny fampitam-baovao moa fa mafy dia mafy ny fifandonana satria dia fitaovam-piadiana mahery vaika tokoa no nampiasain’ireo olon-dratsy. Tsy nampihemotra an’ ireo zandary anefa izany ka vaky nandositra ireo dahalo namela ilay lehiben’izy ireo teo, izay tsy afaka nandositra noho ny ratra nahazo azy. Ity farany sy ny rahalahiny no niezaka nanao izay ho afany tamin’ny alalan’ny tifitra ihany saingy tsy nahaleo ireo mpitandro filaminana tsarahofana moa ka dia samy maty voatifitra avokoa. Basy « kalach » iray moa no azo tenyam-pelan-tanan’izy ireo niaraka tamin’ny bala 7.62mm enina. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo naman’izy ireo tafatsoaka tamin’io andro io, raha ny vaovao hatrany.
m.L