Tonga nanazava ny fipetrahany eto Toamasina ny TASA, na « Tiako ny Ala SAlama », izay nantsangan’ny Dr Rakotondranaivo Jean Pierre ny taona 2009 ary tafapetraka ho orinasa ara-dalàna ny taona 2020, taorian’ny fisintahany teo anivon’ny FITRAMA. Sady mamokatra fanafody azo avy amin’ny zava-miniry mitsabo ny aretina samihafa ny TASA ; ka isan’izany ireo aretina mpitaiza olona toy ny diabeta, ny rera-dava, sempotra, marary vanin-taolana samifaha. Amin’ny maha-vokatra natoraly ny vokarin’izy ireo dia tsy misy loatra ny voka-dratsiny amin’ny fampiasana azy, ka ho fanombohany miasa eto Toamasina izay hatao ho foiben’ny TASA ihany koa noho ireo vokatra fanaovana fanafody hita eto Toamasina ny ankamaroany, dia hanomana hetsika maimaim-poana mandritra ny 05 andro hifarana ny sabotsy izao ny TASA eto Toamasina. Sady fanampiana ny vahoaka izany no fampahalalana ihany koa ny fipetrahany eto Toamasina, izay toerana roa no misy ankehitriny dia ny ao Mangarivotra sy ny ao Tanamakoa. Mikasa ny hametraka toeram-piterahana ny ivo-toerana noho ny fananany mpampivelona sy mpitsabo mpanampy manana marim-pahaizana ara-panjakana ihany koa izy ireo ho fanampiana ireo vehivavy Malagasy. Efa toerana maro ny misy ny TASA izao, ka isan’izany ny ao Manakara, Vohipeno, Antananarivo, Antsirabe, Toliara, Toamasina, Ambatondrazaka, Moramanga, sns… Noazavain’ny Dr Rakotondranaivo Jean Pierre koa ny fisarahany tamin’ny FITRAMA, izay niankina tamin’ny tsy fahaloavana karaman’ny mpiasa ny fiandohany, dia voatery nampiasa ny anaran’ny orinasa tamin’ny anarany taloha ity ny tenany. Na izany dia izy ireo hatrany no mamatsy fanafody fampiasan’ny FITRAMA hatramin’izao hoy Dr Rakotondranaivo Jean Pierre.
Malala Didier