Nohidin’ireo tsy valahara tao an-trano ity ramatoa iray, tompon’ny trano notafihan’izy ireo, niaraka tamina tovovavy iray hafa. Ary nampiharan’izy ireo filàn-dratsiny tao. Tsy navela raha tsy vita ny sitrapony !
Tany amin’iny distrikan’i Maintirano iny no nitrangan’ity herisetra miampy habibiana ity, rehefa nanafika tao amina tokantrano iray tao amin’ny fokontany Tanambao ireo jiolahy, ny herinandro lasa teo. Araka ny tatitra azo avy tamin’ny pôlisim-pirenena, dia ny alin’ny alarobia nifoha alakamisy lasa teo no tonga tao amin’io trano io ireo olon-dratsy roa nitondra fitaovam-piadiana. Asa ? mety ho fantatr’izy ireo angamba fa tsy misy afa-tsy ireo vehivavy ireo no tao an-trano ka dia nohararaotin-dry zalahy. Vao tafiditra ny trano izy ireo, dia nohidiny tao anatiny ny trano ary tsy nisy navelany nivoaka ireto vehivavy ireto. «Nandritra ny fotoana nijanonan’ireo jiolahy tao amin’ity tokantrano iray ity anefa dia nifandimby nanolana ilay tompon-trano sy ilay zazavavy kely 18 taona ireo jiolahy. Rehefa nahavita ny asa ratsiny ireto jiolahy ireto, dia nitsoaka» hoy hatrany ny vaovao. Taorian’ny antso vonjy nataon’ireo voatafika, dia nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ireo pôlisy niaraka tamin’ireo fokonolona teo an-toerana. Ny marainan’ny alakamisy vao tratra ireto roa lahy ireto rehefa tsy namelan’ireo mpanara-dia. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny pôlisy ary natao famotorana. Ny talata lasa teo izy ireo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana tany an-toerana, rehefa vita ny fakàna am-bavany azy ireo teny amin’ny pôlisy. Tsy nisy adihevitra be intsony tamin’ny fanapahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana. Avy dia nosoniavina ny taratasy mampiditra azy ireo am-ponja vonjimaika. Any aloha izany izy roa lahy ireto misaintsaina ny zava-bitany, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana.
m.L