- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversBekitro Bekily : Tsy nanaiky ny fametrahana ben’ny tanana vaovao ny mponina

Bekitro Bekily : Tsy nanaiky ny fametrahana ben’ny tanana vaovao ny mponina

Korontana tanteraka  any amin’ny kaominina Bekitro, ao amin’ny distrikan’i Bekily iny. Nitokona sy nilanja sorabaventy manerana ny tanana mantsy ny vahoaka, ary saika niafara tamin’ny sakoroka mihitsy, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Ny antony, tsy fanekena ny fametrahana ben’ny tanana vaovao indray ao amin’ity kaominina ambanivohitra, ny faritra Androy ity. Nambaran’ny loharanom-baovao avy any an-toerana mantsy, fa nisy ny didy vaovao navoakan’ny fitsaràna any an-toerana nametrahana ben’ny tanana hafa. Marihana fa efa nisy ben’ny tanana niasa efa ho sivy volana izay ary voapetraka tamin’ny toerany tany amin’ity kaominina ity, araka ny vaovao azo hatrany kanefa dia izao namoaka didy hafa izao indray ny fitsarana. Izay toe-javatra izay no tsy ankasitrahan’ireo vahoaka ao Bekitro, ka nahatonga azy ireo nilanja sorabaventy tahak’izao, hitakiana ny marina. «Miantso ny fitondram-panjakana araka izany izahay mba hijery akaiky ity tranga ity, fa manahy mafy ny mety hiafaran’izany ao anatin’ny rà mandriaka», hoy ny antson’ny mpanakanto iray avy any amin’iny faritra iny Atoa Randriasoa Jean.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici