- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAndiany « Tsinjo » Enam : Noraisin’izy ireo ho ray mpiahy ny Ministry...

Andiany « Tsinjo » Enam : Noraisin’izy ireo ho ray mpiahy ny Ministry ny Fiarovam-pirenena

Atoa Jeneraly, Ministry ny Fiarovam-pirenena teo am-pamelabelarana ny hafatra mafonja ho an’ireo mpianatra.

« Antony maro no hifotoran’ny safidy fa ny tena manan-danja dia lalam-pahombiazana azo atao fakan-tahaka ».

Nisy ny fihaonan’ny Ministry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard tamin’ireo mpianatra avy eo andian’ny fahatelo, manaraka ny lalam-piofanana Fianarana ambony amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana eny anivon’ny Sekolim-pirenena ambony misahana izany na ny Enam tetsy Androhibe, omaly. Noraisin’ireto mpianatra ho tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena ireto ho ray mpiahy azy ireo moa ny Ministry ny Fiarovam-pirenena, noho ireo fahazai-manao nasehony teo amin’ny lafiny, indrindra amin’ny seham-pitantanana ny raharaham-panjakana ambony. « Azo raisina ho maodely tanteraka ny Jeneraly amin’ireo lalana nodiavina ka nahatonga azy ho mpiasam-panjakana ambony. Manana toe-tsaina mivelatra amin’ny lafiny maro ny Minsitra ka ankoatry ny maha miaramila manamboninahitra jeneraly azy dia nahavita fianarana ambony amin’ny fiharian-karena sy fiaraha-monina ny tenany (…) Ary amin’ny maha ministry ny Fiarovam-pirenena azy dia afaka mizara sy mampianatra tsara ireo paik’ady sy teti-panorona isan-karazany amin’izay lafin’ny fiarovana izay, hizorana any amin’ny fampandroasoana ». Nisy moa araka izany fifampizarana sy famelabelaran-kevitra nataon’ity ray mpiahy ny andiany fahatelo ity, omaly. Nanomezany toromarika manokatra sy anatranatra ho an’ireto andiany fahatelo ireto. Fotoana manan-kaja izay natrehan’ireo mambra vitsivitsy avy ao amin’ny Governemanta : ny Ministry ny asam-panjakana sy ny Ministry ny Fitsaràna. Tonga nanatrika izany ihany koa ny Talen’ity Sekoly ambony momba ny fitantan-draharaham-panjakana ary ireto manam-pahefana sivily ary miaramila.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici