Naratra ny mpamily. Mpandeha iray ihany koa mbola naratra mafy. Nandeha « Bajaj iray izy roa no tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, teny amin’ny kaominina ambanivohitra Beanana, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ny Alakamisy maraina teo. Raha ny fampitam-baovao voarainay tany an-toerana dia vaky kodiarana izy ireo nony nandalo tamin’ny fiolahana. Ilay nitondra ny bajaj tsy dia naratra firy, fa ilay mpandeha iray kosa ny tena naratra mafy. Mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly be Morafenokely eto Maevatanàna. Potika tanteraka ny « bajaj » kodiaran-telo. Rehefa naheno ny zava-niseho teo anivon’ny mpitandro ny filaminana dia tonga nanao ny fizahana tany an-toerana. Marihina fa « Bajaj » avy eto Maevatanàna hanatitr’olona any amin’ny faritra Andranobevava izay misy tobim-bolamena malaza misy volamena amin’izao fotoana izao.
Ratantely