Lehilahy iray nanafika cash point no saron’ny fokonolona sy ny polisy teo Ampiaviana ny alakamisy hariva lasa teo. Nilaza ny hanao petra-bola tao amin’ilay cash point ity jiolahy ity. Tsikaritr’ilay mpivarotra toa mahimahina izy ary tsy navelany nisaina ny vola lazainy harotsany. Mbetika izy no manao sary mody miantso olona amin’ny finday ary mailomailo sy sasatra mijery ny manodidina azy, hoy ny fitantaran’ny nanatri-maso ny zava-nitranga. Nanaiky ny hanisa ny vola lazainy harotsany ihany izy, saingy tsy nisy akory izany fa avy hatrany dia nokendainy ilay mpivarotra ary nanambany tamin’ny antsy lava be. Niezaka nanohitra ity farany ary voatosiny ilay jiolahy. Tetsy ankilany, niantso vonjy ny vehivavy iray raha nahatazana ny zava nitranga. Nitsoaka nandositra ilay jiolahy raha vao naheno ny antso vonjy. Tsy namelan’ny fokonolona fa raikitra ny fifanenjehana. Nisy polisy vavy roa sendra nandalo nanao fisafoana nanampy tamin’ny fisamborana ka voasambotra soamantsara ity jiolahy ity, ary tsy sahy namaly intsony.
Tonga ara-potoana koa ny polisy niaraka tamin’ny fiara ka voasoroka ny fitsaram-bahoaka. Tsy nahazo na inona na inona akory io jiolahy io izao voasambotra izao.
Andry N.