- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025

Tapatapany

#Akorondrano. Moto nodomina taxibe. Nisehoana lozam-pifamoivoizana ihany koa teo amin’ny « rond point » Akorondrano, omaly. Moto scooter iray no niafara tany ambanina taxibe sprinter. Raha ny fantatra dia ankevitry ny niditra teo amin’ny “rond point” ilay scooter, ilay taxibe kosa avy any Ankorondrano. Tsy nijanona ity farany ka avy hatrany dia nandona an’ilay motô. Potika tanteraka ilay môtô, ary nahitana fahasimbana ihany koa ny lohan’ilay fiara. Tsy nisy aloha ny aina nafoy, na dia izany aza, nitondra takaitra sy nahitana ratra ihany ilay mpitondra môtô.

#Ambatolampy. Lahiantitra hita faty tanaty hantsana. Ny alahady tokony ho tamin’ny 8 ora maraina no nahitan’ny fokonolona razana tao amina hantsana iray, tao Analabe Beraketa. Araka ny fantatra dia lehilahy lehibe, tokony ho 70 taona no hita faty tao. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa olona mipetraka ao Sabotsy Ambohitromby ity olona maty ity. Saingy tsy mbola fantatra mazava izay antony nahafaty ity olona ity.

#Tsiroanomandidy. Fiara nosakanan’ny jiolahy mitam-basy. Niha nahazo vahana indray ny fanankanan-dalana ataon’ny dahalo any amin’iny faritra Bongolova iny. Ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny 5ora maraina no nosakan’ny jiolahy 5 mitam-basy ny fiara, voalaza fa an’ny ben’ny tanana iray, teo amin’ny tetezan’i Manambolo, fokontany Antsapanimahazo. Raha ny loharanom-baovao dia ny roa tamin’ireo jiolahy no nanakana raha vao niditra ny tetezana ity fiara ity, sady nitifitra. Ireo 3 lahy ambiny kosa taty aoriana. Vokany, naratra ny tanan’ny mpamily, mitentina 600.000 Ar ny vola very, niampy finday sy rojo volamena ary vaky tamin’ny fitifirana ny fitaratry ny fiara.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser