- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversKaominina Belazao : Mirongatra ny halatr’omby na « rainizavona »

Kaominina Belazao : Mirongatra ny halatr’omby na « rainizavona »

Sesilany indray ny halatr’omby ao amin’ny koaminina Belazao Antsirabe II. Tao anatin’ny roa volana izao, raha ny fampitam-baovao marim-pototra avy an-toerana, dia tsy latsaky ny folo ny omby efa najifan’ny dahalo. Raha somary nangingina ny halatr’omby na « rainizavona » tao amin’ny kaominina Antsoantany Antsirabe II dia miseho indray izany any amin’ny kaominina hafa.  Tranga tsy dia fahita loatra tao amin’ny kaominina Belazao ny halatr’omby, ankehitriny anefa mandry tsy lavoloha ny fokonolona. Niitatra noho izany ity resaka  rainizavona mpiseho tao amin’ny koaminina Antsoantany ity. Raha ny fantatra, in-telo notafihan’ny dahalo ny tanàna tamin’ny volana jona teo, ka isan’ny lasibatra tamin’izany ny fokontany tao Miadankofeno. Tsy dia misy manana omby betsaka ny ao an-tanàna fa ireo omby fampiasa sy omby vavy be ronono no jifain’ny jiolahy. Mitaintain-dava ny fokonolona vokatr’ity resaka rainizavona ity, ka nisy fotoana mihitsy ny fokonolona tao Tsarahasina no natory tany an-tsaha noho ny tahotra . Tsikaritry ny mponina tamin’ny herinandro teo tao Tsarahasina ihany, bandy telo lahy tsy fanta-piaviana no nananika tendrombohitra. Rehefa tonga teny an-tampony izy telo lahy raha ny fanazavana hatrany dia nandrehitra afo ary ohatra ny olona mahandro sakafo no fahitana azy noho ny fidonaky ny afo. Nampandre ny zandary ny fokonolona, tsy niandry ela fa avy hatrany dia nihazo ny toerana misy ireo lazaina fa dahalo ny fokonolona niaraka tamin’ny zandary, saingy tsy tratra teo intsony ry zalahy fa nandositra. Midika izany fa olon-dratsy izy telo lahy ireo. Nandray fepetra ny fokontany ka amin’izao fotoana dia efa misy ny fiambenana ataon’ny « quartier mobile » sy ny vatan-dehilahy.

Na eo aza ny ezaka ataon’ny fokonolona sy zandary entina hiarovana ny fananam-bahoaka dia hita fa miha malaina ny olona hiompy. Saika mivarotra omby avokoa mantsy ny mponina ao an-toerana ankehitriny, aleon’izy ireo amidy, atakalo vola toy izay ho very lasan’ny dahalo.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser