- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimitsimbina : Miaramila maty nitifi-tena tao ambany lakavin’ny Ortm

Ambohimitsimbina : Miaramila maty nitifi-tena tao ambany lakavin’ny Ortm

Tsy nisy naheno ny zava-nisy ny rehetra, eny fa ny « Chef de poste » aza. Izy ireo sendra nidina tao, nahità ny rà mandriaka no nampilaza avy hatrany lehiben’izy ireo sy ny zandary. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any tokoa, ny talata lasa teo, nisomebiseby ny fiaran’ireo mpitandro filaminana maro tetsy Ambohimitsimbina, nirohatra nankao amin’ny Sampan-draharaha misahana ny lafiny teknika sy fotodrafitrasan’ny ORTM. Araka ny fampitam-baovao azo dia miaramila iray, mpiambina ity toerana stratejika ity no namono tena tao ambany lakavin’ity birao ity. Rehefa natao ny fitsirihana sy ny fitiliana mialoha ny zava-nisy dia nahitàna rà mandriaka tao amin’ilay toerana ary ny vatana mangatsiakan’ny miaramila iray mitondra ny galona « s2c ». Ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo niaraka tamin’ireo zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Antananarivo Renivohitra no nahafantatra fa tifitra tamin’ny alalan’ny basy teo amin’ny tampon-kandriny no nahafaty azy ary ny basiny ihany. Ny antony aloha hatreto dia mbola ankamantatra tanteraka ! Nambaran’ireo namany sy ny lehibeny teny an-toerana fa tsy nisy nahafantatra na naheno ny zava-nisy izy ireo raha tsy nisy olona sendra nidina tao amin’io lakavy io. Efa nandray an-tanana ny raharaha ary nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany moa ny zandary. Marihana fa vao 19 taona monja ny tovolahy, mipetraka eny Tanjombato ary miaramila eo anivon’ny Rezimanta voalohany ny Jenia etsy Ampahibe. Nobaikona hiandry ity toerana stratejika etsy Ambohimitsimbina ity ary dia izao maty nitifi-tena izao. Tonga teny an-toerana niaraka tamin’ireo zandary moa ny Talen’ny sampam-pitsilovana eo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika sy ny « Chef de corps » ny Jenia, rezimanta voalohany. Taorian’ireo fitsirahana isan-karazany kosa dia nentina nihazo ny tranom-patin’ny hôpitaly miaramila etsy Soavinandriana ny razana, raha ny vaovao voaray hatrany. Andrasana izay mety ho tohin’ny fanadihadiana …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici