- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversGrevin’ny mpianatra Ankatso : Olona iray indray vaky loha !

Grevin’ny mpianatra Ankatso : Olona iray indray vaky loha !

maratra-ankatsoMbola tsy vita hatrany e ! Nitohy omaly indray ny savorovoro nisy teo amin’ireo mpianatra sy ny mpitandro filaminana, teny Ankatso. Nanomboka tamin’ny 11 ora tany ho any ny fivorivoriana sy tora-bato mahazatra azy ireo. Raha toa ka efa niantrana teny an-toerana ny maraina ireo avy tao amin’ny Emmoreg. Nisy olon-tsotra iray, lehilahy, olon-tsotra teny an-toerana, naratra teo amin’ny lohany ary nalefa tany amin’ny toeram-pitsaboana. Dia mbola nitohy ihany koa ny fandrehetana zavatra, entina hanakanana ny fifamoivoizana teny an-toerana. Nihidy toy ny mahazatra ireo mpivarotra, natahotra ny fihoaram-pefy, mety hitranga tamin’izany sakoroka izany. Tsy kodiarana intsony indray no narehitra fa vatan-kazo be izay nampidin’izy ireo avy tao an-toerana, omaly. Hita teny an-toerana ihany koa fa tsy vitan’ny norobaina omaly ilay trano fivarota-mofo teo akaikin’ny vavahadiben’Ankatso teo, fa mbola nodoroina sy naverina nosimbaina indray izany omaly. Tsy tafapaka lalina moa ilay afo fa nalaky voafehy. Tamin’ny 2 ora tolakandro no nanomboka ny daroka baomba nandatsa-dranomaso nataon’ireo mpitandro filaminana. Nalaky voaparitaka ihany ireo mpitaky fitakiana, tsy toa ny hetsika tamin’ny alatsinainy teo.

Mike L.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser