- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Hita faty tao anaty "chambre"

Ambohidratrimo : Hita faty tao anaty « chambre »

Tamin’ny valo ora alina izy no hita ary efa tsy nisy aina intsony no hita tao anaty efitrano fandriam-bahiny. Teny amin’ny hotely iray teny Anosiala-Ambohidratrimo no nisy izany ny alakamisy teo. Tamin’ny fotoana tokony nialàna tao izy dia mbola tsy nivoaka ilay rangahy izay 58 taona. Rehefa nodondomina ela dia tapa-kevitra ny namoha an-keriny ny varavarava ny mpiambina. Dia inona tokoa fa nitombina ny ahiahy. Vatana mangatsiaka izay natory teo ambony fandriana no novantanina rehefa novohaina ilay efitra. Raha ny fijery voalohan’ny mpijirika ny razana dia fahatapahana lalan-drà no nitarika ny fahafatesany. Nanomboka tamin’ny roa ora tolakandro no nandondona ny mpiambina ary resy lahatra ihany ny namoha ny trano ihany rehefa tsy nisy namaly mihitsy. Raha ny fantatra dia ny alarobia izy no nanomboka nipetraka tao amin’ilay toerana ary ny ampitson’iny izany no hita faty. Rehefa vita ny fitsirihana ny razana izay nataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny dokotera dia nampandrenesina ny fianakaviany hakany razana. Tsy voalohany no nisy ny faty izay hita tao anaty efitrano fandriam-bahiny. Tao ny taizan’aretina ary tao no nanafika ny fahafatesana. Tao koa ny mba te-hatanjaka ary nampiasa ireny pilina manga ireny kanefa tsy zakan’ny tosi-dràny. Efa nitranga koa ny heloka bevava izay tao anatin’ireny toerana ireny no notontosaina.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici