- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversHaintrano tao Ambondromamy : Nampidirina am-ponja vonjimaika ny vadin’ilay Ramatoa maty

Haintrano tao Ambondromamy : Nampidirina am-ponja vonjimaika ny vadin’ilay Ramatoa maty

Manjavozavo ihany ity raharaha ity izay raha tsiahivina dia nitranga tao an-tanànan’i Vohitsara, izay miala 7 kilaometatra ny renivohitry ny kaominina Ambondromamy, distrika Ambatoboeny. Olona telo mianaka (renim-pianakaviana é4 taona sy ny zanany roa, 2 sy 4 taona) no maty vokatry ny haintrano nihatra tamin’ny toeram-ponenan’izy ireo ny alin’ny talata 22 septambra teo. Arakan y fantatra sy ny loharanom-baovaovao dia niniana natao no nahatonga ity loza ity. Nitranga izany raha araka ny vaovao voaray tamin’ny raha mbola tao anatin’ny torimaso tanteraka ireo olona ireo. Nandeha ary ny fikarohana izay noheverina fa nahavanona izao loza izao ka niafara tamin’ny fisamborana ny vadin’ity Ramatoa maty niaraka tamin’ny zanany roa ny raharaha. Tsy vitan’izay fa mbola voasaringotra ihany koa ny renin-drangahy sy ny mpiandry tanànany iray. Ireto farany izay voalaza fa teo an-toerana saingy tafavoaka soa aman-tsara tsy naninona tamin’ity haintrano ity. Natolotra ny fampanoavana ny alarobia teo izy telo ireo ka notanana vonjy maika any am-ponja ilay raim-pianakaviana. Nomena fahafahana vonjimaika kosa ny renininy sy ilay mpiandry tanàna. Manolona izao zavatra izao dia nitondra fanazavana ny fianakavian’ity raim-pianakavia ity izay milaza fa tsy rariny raha ny niharam-boina indray no nampidirina am-ponja. Araka ny fanazavana, ny tena zava-nisy, hoy izy, dia tena asan-dahalo no niseho tamin’io fotoana io. Dahalo izay efa matetika no manafika ao amin’ity tanàna ity, indrindra hatramin’izay nitoeran’ireto fianakavia ireto tao. Mba ho fiarovan-tena sy fiarovana ny vady aman-janany dia nanao lavaka ho zohy fierena tao an-tranony ilay raim-pianakaviana. Io toerna io no atao fiafenana rehefa misy jiolahy manafika ary natao tsara takotra mba tsy hisy ahalala ny fisiany. Tonga nanafika tokoa ireo dahalo tamin’io alin’ny talata io. Rehefa izany dia nalefa nisitrika tao anatin’ilay zohy ny vandin’ilay rangahy sy ireo zanany kely roa. Nijanona tety ambony kosa ny Rafozana sy ilay raim-piakavia mba hiaro ny trano. Ilay mpiandry tanàna kosa tany ivelany. Ity farany izay nofatoran’ireo jiolahy teo an-tokontany ka noterena hanoro ny misy ny mpampiasa azy. Rehefa namaly ity farany fa ao an-trano ao ilay tadiavina dia nirohotra namonjy ilay trano ireo olon-dratsy ary nandondona sy nanao am-boletra hamoha nn varavarana. Niezaka nanohitra anefa ny tao an-trano ka tsy tafiditra ireo mpanafika ka hany herin’izy ireo dia nandoro ilay trano rehefa avy naka izay azony nangalarina teo ivelany ary lasa notsoaka. Tamin’izay indrindra no nanararaotra nivoaka ireo tao an-trano. Ireto farany izay efa nahatoky fa tsara antoka ny fiafenan’izay telo mianaka tany anaty zohy. Indrisy anefa fa nifanohitra tamin’izay no nitranga. Rehefa nvierina hamonjy azy ireo ireto velona dia nahita fa efa maty kilan’ny afo ilay Ramatoa. Ity farany izay niezaka hivoaka tao anaty lavaka raha araka tombatombana saigy niajeran’ny tafon-trano bozaka izay efa nirehitra. Tatsy anatiny kosa, ireo ankizy dia maty sempotra fa tsy nahitana ratra. Nitranga izany satria araka ny fizahana ihany izay efa nohamarinin’ny zandary mpanao famontorana dia noho ny firehetan’ny fantsona mampiditra rivotra ao anatin’io zohy io izay vita amin’ny fingotra (tuyau PVC). Nitondra izany fanazavana izany moa ny fianakavian’ireto voampanga satria lasa resabe eo any an-toerana ny momba ity raharaha ity. Araka ny fantatra dia noraisin’ny zandary avy any Mahajanga an-tanana mihitsy ity raharaha ity ankehitriny. Ireto farany izay efa nidina tany an-toerana ny fiandohan’ny herinandro teo mba hanao ny fanadihadiana lalina. Ny zava-nisy anefa, vao niala ireo zandary ireo, ny talata alina teo dia niverenan’ireo joilahy notafihina indray ilay tanàna ary noraofin’izy ireo daholo izay entana azony nalaina tao. Arakan y fanazavana dia tonga teo ireo olondratsy ireo satria mahalala tsara fa tsy misy olona ilay tanàna. Ny tompon-tanàna izay voatana any amin’ny zandary. Fa ny tena nampiahiahy ny manodidina izay nahatsikaritra izany fanafihana izay dia ny nahita fa fito lahy no nanao io aza ratsy io. Ny dimy no tena nanatanteraka ny fanafihana fa ny roa kosa, nitazana lavidavitra. Ireto farany izay heverina, araka ny fanazavana katrany, fa mety ho olona tsy vahiny eo amin’ny tanàna matoa niafina. Andrasana araka izany ny fivoaran’izao raharaha izao.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici