- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversVondrom-pileovan’ny Zandary Atsinanana : Niatrika atrikasa efatr’andro teto Toamasina-I ireo « chef...

Vondrom-pileovan’ny Zandary Atsinanana : Niatrika atrikasa efatr’andro teto Toamasina-I ireo « chef de Brigade »

Nampihofanina efatr’andro, nanomboka ny talata 29 septambra ary tsy nifarana raha tsy ny 02 Oktobra teo, teto Toamasina ireo lehiben’ny tobin’ny zandary (Chef de Brigade) tato anatin’ny vondrom-pileovan’ny zandary Atsinanana. Efatr’andro no nampihofanana azy teto, ka loha hevitra efatra no noraisina tamin’izany, dia teo ny momba ny fitantanana mpiasa niarahana tamin’ny lehiben’ny mpikarakara ny mpiasan’ny zandary nasionaly, teo ny momba ny fanamian’ny zandary, ny fanofanana momba  ny « opération professionnelle », ary teo ny fanofanana ny fitantanana ny « Intervention opérationnelle » amin’ireo asan-jiolahy samihafa eo anivon’ny zandary. Nambaran’ny komandin’ny vondrom-pileovan’ny zandary Atsinanana tamin’izany, fa tena ilaina ity fahaiza-mitantanana ny « Intervention Opérationnelle » ity, satria mivoatra be ny fanaon’ny jiolahy ankehitriny ka izay no nanofanana ireo zandary malagasy Toamasina, amin’ny fitantanana izany, mba tsy hilana ny avy any ivelany raha tsy tena amin’ny fotoana sarotra tanteraka. Nisy rahateo ny fampisehoana fahaiza-manao nataon’ny zandary mikasika ny fakana an-keriny sy ny fanafahana azy ireny, nandritra ny fanofanana teny amin’ny tobin’ny fari-piadidian’ny zandary Toamasina. Nisy mihitsy ny fampiasana ireo alika mpitsongodia niarahana tamin’ny « Sécurité Body Guard » izay efa mpiara-miasa amin’izy ireo. Nambaran’ny lehiben’ny vondrom-pileovan’ny zandary Atsinanana hatrany, fa miankina amin’ny fiantsoana haingana ataon’ny olona amin’ny resaka vaky trano ireny koa no hahafahana mampiasa ireo alika mpitsongodia amin’ny fanarahana ireo jiolahy, mba hahafahana mifehy ny  tsy filaminana amin’ny famakiana trano. Hitsangana tsy ho ela ny sampana « Brigade Canine » eto Toamasina. Samy nahazo fahalalana hifehezana ny tsy fandriampahalemana any aminy avy ireo “Chef de Brigade” rehetra tonga niatrika izao fihofanana izao, ary milaza izy ireo fa vonona ny hampihatra ny fihofanana norantoviny.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici