- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitsoa : Mpamaky trano mitondra sabatra, tsy namelan’ny olona

Ambohitsoa : Mpamaky trano mitondra sabatra, tsy namelan’ny olona

Efa tena vonona tanteraka hamaky trano ary raha sanatria ka tratra dia mampiasa ny sabatra teny aminy. Izay no tanjon’ity lehilahy iray voasambotry ny olona noho ny fahamailoana sy ny fiverenan’ny andrimasom-pokonolona eny Ambohitsoa. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany no nisy nahita ny roa lahy izay nihanika tamboho ary nitondra « bar à mine » sy sabatra. Teo dia efa nifampiantso moramora ny mpiray tanàna ary niara-nivoaka. Tafiditra ampovoany ireo lehilahy. Ny iray tafaporitsaka ary ny iray kosa rehefa nifanenjehana dia voasambotra teo amin’ny manodidina ihany. Tezitra ny olona ary samy nanala ny fony teo tamin’ny daroka isan-karazany. Ny fisian’ireo fitaovam-piadiana izay mety mahafaty no tena nahasorena ny olona. Mazava mantsy fa vonona ny hiaro ny tenany ary hamono olona ireo olon-dratsy raha ilaina izany. Saingy sendra ny olona efa mailo tanteraka noho ny fisesin’ny vaky trano sy ny fanafihana teny an-toerana. Ny antoandron’iny no nisy olona tsy fahita matetika nivezivezy sy nihainohaino teo amin’ny manodidina. Efa nisy nanamarika izany ary efa nifampitaona ny mpiray tanàna ny mba ho mailo raha vao alina ny andro. Iny tokoa ny roa lahy fa nihanika tamboho tamin’ny fotoana izay niheveren’ireo fa efa resin-tory avokoa ny mponina. Tsy noraisim-potsiny akory fa mbola nikasa ny nitsoaka ihany. Vetivety foana anefa dia voahodidina ny làlana tokony hitsoahany. Teo dia niray hina ny olona tamin’ny famehezana azy. Naratra mafy ilay lehilahy ary ny polisy nantsoina no naka azy ka nitondra azy teny amin’ny hopitaly. Efa ho roa volana izay no niaina tao anatin’ny tsy fandriam-pahalemana ny mponina ao Ambohitsoa. Misy ihany ny fisafoana ataon’ny mpitandro ny filaminana, kanefa toa efa misy mpitsikiko ireo jiolahy ka amin’ny fotoana tsy fandalovan’ireo no manao ny fanafihana. Vao tsy ela akory izay no nisy tokantrano izay sady nisy mpiambina no nisy alika kanefa vitan’ireo ny niditra tao ary namaky ny fiara teo an-tokotany mba hangalàna ny « autoradio » sy ny vatoaratra tao anatiny. Andro vitsy talohan’io koa dia nisy tokantrano iray hafa voatafika tamim-basy ary nofatorana ireo olona tao anatiny. Tsy mifanalavitra teo koa fa somary mizotra mankany Ivanja, dia nisy tokantrano lehibe izay feno alika masika kanefa mbola sahin’ireo jiolahy ihany ny nisaoty niditra tao. Ankoatra ny andrimasom-pokonolona izay efa niverina nitsangana ankehitriny dia mangataka koa ireo mponina ny mba hanamafisana ny fisafoan’ny mpitandro ny filaminana eny amin’iny faritra iny.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici