Niampita tampoka ny arabe ity zaza ity no nandalo ilay fiara tsy mataho-dalana tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, ny alahady lasa teo. Voafaoka mafy dia mafy ary maty tsy tra-drano ! Tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro latsaka kely teo dia nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teo amin’ny PK102+600, amin’ny toerana antsoina hoe Bemasoandro, kaominina Ampitatafika, distrikan’Antanifotsy. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia zazalahy kely iray vao efa-taona monja no naratra mafy voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana iray nandeha mafy tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Noezahina nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana moa ity farany saingy tsy tana intsony ny ainy teny an-dalana noho ny ratra nahazo azy. Voalazan’ny vaovao hatrany fa niampita tampoka ny arabe ilay zaza raha nandalo tampoka tamin’ny hafainganam-pandeha mafy dia mafy ilay fiara tsy mataho-dalana. Tsy tana intsony araka izany ny loza ary io nandriaka io ny rà. Taorian’ny fitsirihana natao tamin’ny vatana mangatsiakan’ilay zaza moa dia efa nomena ny fianakaviana ny razana. Ilay mpamily an’ilay fiara kosa dia efa nentina natao andrimaso eny amin’ny biraon’ny zandary hanaovana ny famotorana, ary nogiazana sy nampidirina am-balampamonjana kosa ilay fiara nentiny. Vao andro vitsy tokoa izay raha misy no nisokatra tanteraka ireo lalam-pirenena teto amintsika. Raha ny tsikaritra anefa dia efa maro sahady ireo lozam-pifamoivoizana nitranga ary maromaro tamin’izay ihany no namoizana ain’olona !
m.L