- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFandaharanasa « HINA » Atsinanana : Nanao jery todika ny asa vita...

Fandaharanasa « HINA » Atsinanana : Nanao jery todika ny asa vita tao anatin’ny sivy volana

Nisy ny fijerena ny asa vita sy ny tsy vita tao anatin’ny sivy volana nataon’ny fandaharanasa “HINA” Atsinanana, ny alatsinainy teo teto Toamasina renivohitra. Samy nilaza ny asa vitany avokoa ireo mpiara-miasa amin’ny HINA Atsinanana, nandritra ny atrikasa. Ho an’ny kaominina ambonivohitry Toamasina ary dia teo ny fisahanan’izy ireo, ireo olona tsy manan-kialofana miisa 200 eo ka napetraka tamin’ny toerana manokana sy nomena sakafo ary novatsiana tamin’ny fidiovana. Ny avy amin’ny Ong FAFED kosa, dia ny fanampiana ireo fianakaviana sahirana amin’ny fambolena madinika, mba hentina hanampiana ny fianakaviana amin’ny fidiram-bolany andavanandro. Ny vondron’ny miralenta ho an’ny fampandrosoana (VMLF) dia ny fanampiana ireo vehivavy mba hahaleo tena amin’ny fiainany no nataon’izy ireo, mba hahafahan’ireo vehivavy mamelona ny ankohonany sy hahafahan’izy ireo mihinana sakafo ara-pahasalamana. Ny Fikambanana “Vognilana” dia nitodika tamin’ny famokarana mitodika amin’ny tsena ho an’ireo tontolo ambanivohitra no nataon’izy ireo; satria ho azy ireo dia “ny tsena aloha vao famokarana”. Ny teo anivon’ny SAF/FJKM dia nampita tamin’ireo olona kendreny ny fambolena ivelan’ny saha, sy ny fanaovana ny “jardin scolaire” sy “jardin familial”, ary ny fanaovana ny “cantine scolaire”. Ho an’ny “Harena Ecologique” dia ny fanampiana ireo vehivavy marefo, ireo vehivavy bevohoka, vehivavy mampinono, ary ireo zaza latsaky ny 05taona, amin’ny famokarana sakafo ara-pahasalamana, ka tsy maintsy harindra ny fanaovana izany. Ny talem-paritry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy kosa, dia ireo vehivavy mitondra vohoka sy mampinono ary ireo zaza latsaky ny 05taona no ampian’izy ireo, ka nandraisana ilay fihetsika hoe “1000 andro voalohany ny zaza, ilaina ny fampinonoana ny zaza ka ny enim-bolana voalohany tsy asiana fangarony hafa izany”. Ny Ong St Gabriel, dia manome vahana ny fiompiana trondro anaty dobo, sy ny fananganana trano fivoahana, ary ny fanampiana ny fianakaviana amin’ny fampianaran-jaza latsaky ny 05taona…. Ny Ong SEDERA kosa, dia ny  fanomezana rano fisotro madio ny mponina no tena ataony, ka misy ny fanaovana lavadrano manara-penitra sy ny fakana rano eny an-doharano amin’ny alàlan’ny fantsona sy siniben-drano.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici