- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatoboeny-Mahajanga : Lehiben'ny fandrarahana ny fonja naiditra am-ponja vonjimaika.

Ambatoboeny-Mahajanga : Lehiben’ny fandrarahana ny fonja naiditra am-ponja vonjimaika.

Mihazakazaka be ny raharaha, raha vao avy noraisin’ny bianco Mahajanga. Fantatra fa nisy lehiben’ny fandrarahana ny fonja iray ao Ambatoboeny no nidoboka ao amin’ny fonjan’i Marofoto ao Mahajanga ny voalohany volana Oktobra lasa teo. Io tompon’andraikitra io dia nenjehana tamin’ny fanampara-pahefana sy fakana tombotsoa tsy ara-dalàna mba ho tombotsoan’ny manokana amin’ireo voafonja. Raha ny fampitam-baovao voarainay hatrany dia ny sampandraharaha ny fonja ao Ambatoboeny dia manana velaran-tany azo ambolena eo amin’ny manodidina telo « hectare » eo. Io tanim-pabolena vaoalaza etsy ambony io dia napanofany lehiben’ny fonja tamin’ireo olona mpamboly tany an-toerana, ka ny 200 kg isakin’ny hectare amin’ny vokatra azo ihany no omena ny voafonja ho sakafo fa ny sisa rehetra dia azy avokoa, ary hamidiny amin’ny mpanangom-bokatra ho azy ihany koa ny vola azo amin’izany. Ny fampiharana ny tsy misy indra-fo amin’ny famnamparam-pahefana izay ataon’ny tompon’andraikitra dia napetraka amin’ny olom-pirenena mba hahatoky sy hanentana ny fahombiazana ny ady amin’ny kolikoly. Rehefa natolotra ny fampanoavana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Mhajanga ny raharaha tamin’ny 01 Oktobra teo, dia izao niafara tamin’ny famonjana vonjimaika izao.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici