- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversKandreho-Betsiboka : Jiolahy tratra rehefa nifanenjehan’ny fokonolona

Kandreho-Betsiboka : Jiolahy tratra rehefa nifanenjehan’ny fokonolona

Tsy nanaiky lembenana anefa ny fokonolona, fa samy nivoaka ny trano ary nifanenjehana ilay olon-dratsy nikasa hanafika tanàna, ka dia tratra soa aman-tsara ary nentina tany amin’ny biraon’ny Zandary. Ny herinandro lasa teo no nisehoan’izany, tokony ho tamin’ny valo ora alina teo, tany amin’ny ambanivohitry ny disitrikan’i Kandreho ato anatin’ny faritra Betsiboka. Tokantrano iray any an-toerana no nokasain’ny jiolahy iray horobaina tamin’io ora voatondro etsy ambony io. Taitra ny tao an-trano rehefa nahita azy tampoka, ka niantso vonjy haingana. Nitsoaka ilay malaso. Rehefa  tsy nisy basy teny aminy, dia nifanenjehan’ny fokonolona malaky, lasa lavitra vao tratra ary nentiny avy hatrany tany amin’ny Zandary. Marihana, fa tsy nisy ny naratra na namoy ny ainy nandritra izany, no sady tsy nisy zavatra azon’ity olon-dratsy ity. Saron’ireo olona teny aminy moa ny sabatra lava lela sy ny mohara nentiny. Niaiky ny heloka vitany ny tenany nandritra ny fakàna am-bavany  azy. Natolotra ny famp      anoavana ny Alatsinainy maraina ny raharaha, ka voatery nampidirina am-ponja vonjimaika eny Ambodimadiro ny Maevatanàna.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici