- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFahavetavetàna naseho tamin’ny Facebook : Voasambotry ihany nony farany ilay tovolahy nokarohina

Fahavetavetàna naseho tamin’ny Facebook : Voasambotry ihany nony farany ilay tovolahy nokarohina

Tsy niandry ela tokoa, taorian’ilay filazàna fampikarohana nalefan’ireo mpitandro filaminana tamin’ny alalan’ny tambazotra sosialy, izay nitadiavana mafy ny tompon’ny compte FB : « Lee Stuven » dia voasambotry ny zandary ihany ity farany. Sampan’asa maro samihafa teo anivon’ny zandamariam-pirenena no nahetsika hikarohana ity tovolahy ity, izay henjehina noho ny resaka fanehoana sary mamoafady amin’ny tambazotra sosialy, fampiharana herisetra ara-nofo sy ara-tsaina amina ankizy tsy ampy taona. Anisan’izany ny teo anivon’ny sampana fitrandrahana vaovao sy ny fitsongoan-dia, ny sampana serasera sy ny fampitam-baovao, ny sampana fikarohana fandikan-dalàna, ny famotorana heloka bevava sy heloka an’habaka (cybercriminalité) ary ireo sampana miaro ny zaza tsy ampy taona. Nosamborina avy hatrany ny tovolahy ary nalefa eny amin’ny tobin’ny zandary mba hatao famotorana. Heverina fa atolotra tsy ho ela eny anivon’ny Fampanoavana ato ho ato rehefa vita ny fakàna am-bavany azy. Tsiahivina moa fa olona roa no nandefasana fampikarohana tamin’iny ka inoana fa tsy hiandry ela ihany koa ny fisamborana azy ary ireo rehetra ao anatin’ny tambazotran’ity tovolahy mpampijaly zazalahy kely ity. Voalaza ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary kosa fa efa nomen’ny ray aman-dreniny ilay ankizy lahikely ary iretsy voalohany dia tsy maintsy natao famotorana ihany koa. « Ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny zandarimariam-pirenena dia maneho fisaorana ho an’ireo rehetra, na avy akaiky na avy lavitra, nanampy tamin’ny fanomezam-baovao. Mitohy ny famotorana ka rehefa vita izany dia atolotra ny fitsaràna ny raharaha. Tany tan-dalàna i Madagasikara, araho maso ny taranaka » hoy hatrany ny fampitam-baovao nalefan’ny zandary.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici