Efa tany amin’ny tapaky ny volana aogositra tany no namoahana filazana fikarohana Velomaro fantatra amin’ny anaran-jiolahy hoe Ndaty. Fanafihana mitam-piadiana hatrany no antony nikarohana azy, raha araka io filazana io. Tsy nahasakana azy tsy nanatontosa fanafihana hafa indray anefa izany. Ny voalohan’ity volana ity, dia nanatontosa fandrobana teny Ambohitsitakatra-Antanetikely, fokontany izay eo anivon’ny distrikan’Antananarivo-Atsimondrano. Niaraka tamin’ny olona am-polony izy nanao izany fanafihana izany. Naratra mafy ny tompon-trano ary lasa ny vola mitentina enina tapitrisa ariary sy ny fitaovana isan-karazany azo nobataina tao an-trano. Ny alin’iny ihany, dia nohidin’ny zandary avokoa ny làlana rehetra mety hahafahan’ireo mitsoaka. Nahitam-bokany izany, satria nisy olona telo izay ahiana mafy ho nandray anjara tamin’ny fanafihana voasambotra. Nanomboka teo ny fanadihadiana izay niafara tamin’ny fisamborana olona fito hafa, isan’izany i Ndaty. Rehefa azo io farany vao tena fantatra ny momba azy sy ny efa zava-bitany. Ny polisy no tena manana dosie betsaka momba ity jiolahy ity, ary izy ireo rahateo no namoaka ny « avis de recherche » momba azy. Mety ho ny fahafantaran’ilay olon-dratsy, fa efa sarotra hoazy ny fanafihana eto an-dRenivohitra vokatr’izany fiparitahan’ny sariny izany, dia nisafidy ny niaraka tamin’ny fikambanan’olon-dratsy hafa indray ary tany amin’ny toeran-kafa izay ivelan’Antananarivo no nanafika. Tratra ihany anefa rehefa nandeha ny fanadihadiana isan-karazany. Isan’ny niray tendro taminy ka voasambotra koa ny lehilahy iray hafa antsoina hoe Ledada izay efa nigadra teny Tsiafahy noho ny heloka bevava. Midika izany rehetra izany, fa tena mora miray tendro ny samy jiolahy, indrindra ireo izay efa samy nigadra. Nidoboka eny Tsiafahy avokoa ireo olona folo rehefa natolotra ny fampanoavana tetsy Anosy. Azo eritreretina ny mbola hitohizan’ny fanadihadiana, indrindra ny momba an’i Ndaty satria ny polisy dia manana dosie maro momba azy, arak’izay voalaza etsy ambony.
D.R