Natao ny alatsinainy teo, ny fitokanana ny siniben-drano ho an’ny mponina tao amin’ny fokontany Amboakarivo, Tananan’i Mahasoa, kaominina Amboditrandroroho, Distrika Toamasina II. Siniben-drano miaty 55m3, rano izay alaina 27m any ambanin’ny tany . Mponina 2.150 avy amin’ny tokantrano 532 no mahazo tombontsoa amin’izao fisian’ny rano fisotro madio izao. Ny tetikasan’ny “Zara-Rano” tamin’ny alàlan’ny “EATC” mpanamboatra ny asa, ary famatsiam-bolan’ny “Charity Water” no nanao ny asa rehetra, izay mitentim-bidy 407.293.680 ariary ny nanamboarana azy. Natao manaraka ny fenitra ny tetikasa , satria misy avy hatrany ny fanadiovana ny rano nalaina tao ambanin’ny tany, na teny an-tendrombohitra, amin’ny alàlan’ny tetikasa fanadiovan-drano. Na eo aza ny halafon’ny fanamboarana, dia natao faran’izay mora ny vidin’ny rano omena ny mponina, ka ho an’ireo vondrom-bahoaka mitambatra, dia natao 2.150 ariary ny m3 iray, sy ny famatsian-drano manokana isaky ny tokotany tsirairay dia natao 2.250 ariary ny m3 iray amin’izany. Anisany nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny alatsinainy teo ihany koa ilay tetikasan’ny “Zara-Rano” miaraka amin’ny Jirama, amin’ny famatsian-drano ny mponina ao Ambalamanasy sy Ambodisaina. Ny tetikasa no mamatsy ireo fitaovana ilaina rehetra amin’izany, ka fantsona 35Km no ampiasaina. Mitentim-bidy 1.618.214.418 ariary ny asa, ka mponina 9.313 avy amin’ny tokantrano 2.300 ao Ambalamanasy sy 10.279 avy amin’ny tokantrano 2.500 ao Ambodisaina no hisitraka izany. Natao mora ny fahazoana ilay rano fisotro madio izay manodidina ny 415 ariary ny m3 latsaky ny 10m3 raha 1.155 ariary ny m3 ho an’ny mihoatra io 10m3 io. Ankoatra izany, dia efa vita ihany koa ny siniben-drano hamatsy rano ny mponina ao Fanandrana nandaniam-bola 314.281.151 ariary, saingy mbola miandry ny fitokanana izany. Olona 1.841 avy amin’ny tokantrano 460 no hahazo tombontsoa amin’izany. Toraka izany koa ilay siniben-drano ao Vohitrambato izay nandaniam-bola 124.276.390 ariary. Vahoaka 771 avy amin’ny tokantrano 192 no hahazo tombony amin’izao rano madio izao. Natao 3.500 ariary hatramin’ny 3.000 ariary ny m3 amin’ny vidin-drano any amin’izy ireo avy. Miandry fitokanana, fa efa vita ihany koa ny siniben-dano ao amin’ny kaominina tampon-tananan’ Amboditandroroho. Mitentim-bidy manodidina ny 295.118.400 ariary, ka vahoaka 1.097 avy amin’ny tokantrano 289. Efa vita ihany koa ny ao amin’ny fokontany Mahatsara kaominina Amboditandroroho, ka miandry ny fitokanana. 2.032 ny mponina avy amin’ny tokantrano 557 no hisitraka izany rano izany tsy ho ela. Mitentina manodidina ny 2.150 ariary hatramin’ny 2.250 ariary ny vidin’ny m3 izany ho an’ny mponina mahazo azy.
Malala Didier





