- Publicité -
mardi, mai 13, 2025

Tapatapany

#- Isotry. Mpanendaka roalahy voasambotra teo amin’ny tetezan-dRamala. Ny alatsinainy lasa te o, vehivavy iray no voaendaka teo amin’ny tetezan-dRamala ary nametraka fitoriana avy hatrany tany amin’ny pôlisy. Nisy ny hetsika nataon’ireto farany ka roalahy no tratra teo ambonin’io tetezana io ihany, niandry indray ny haza izay ataony lasibatra. Natolotra ny Fampanoavana ny alarobia lasa teo moa izy ireo ary fantatra fa nadoboka am-ponja eny Antanimora avy hatrany miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

#- Andramasina. Olona 11 nokaikerin’ny tantely, zaza iray namoy ny ainy. Zazakely iray no fantatra fa namoy ny ainy tany amin’iny distrikan’Andramasina iny rehefa avy nokaikerin’ny tantely, afak’omaly. Nisy firongatr’ity bibikely ity tamin’io fotoana io tany an-toerana ary voalaza fa olona folo ankoatr’ity zaza ity no voakaikitr’izany, raha ny angom-baovao azo. Efa samy nahazo fitsaboana avokoa moa ireto olona ireto. Ny vatana mangatsiakan’ilay ankizikely kosa dia efa nomena ny fianakaviana taorian’ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici