
Olona folo no indray voasambotra nandritra ny hetsika nataon’ny zandarimaria tao Imerintsiatosika. Izany dia noho ny fitarainan’ny olona niaina tao anaty horohoro, vakitrano sy fanafihana mitam-piadiana tato ho ato. Nanaovana hetsika manokana fampandrian-tany tany an-toerana ary nahitam-bokany izany. « Tratra tamin’izany ireo entana halatra isan-karazany, sarona tao amin’ny trano fieren’izy ihany koa ny rongony voafono 03kg, ireo fitaovana toy ny basy poleta vita gasy iray miaraka amin’ny bala miisa 09 miampy chargeur 02, ary barre à pince sy antsy lava fampiasan’izy ireo » raha araka ny fanazavan’ny zandary. Notohizan’io loharanom-baovao io fa ny roa amin’ireo jiolahy ireo dia mpamatsy bala no tena anjara asany. Mbola tranga iray manaporofo hatrany ity zava-misy ity fa raha vao misy basy na iray fotsiny aza ny andian-jiolahy dia efa sahy manafika. Samy manana ny anjara asany ireo, ao ny mpamatsy fitaovam-piadiana fotsiny, ao ny manara-maso ny olona sy toerana hatao lasibatra ary ao ny manatontosa ny asaratsy. Matetika dia mifoka zava-mahadomelina ireo rehefa hiroso amin’izay amin’ny fanafihana ary dia izay no antony hisian’ny herisetra na efa milavo lefona aza ny voatafika. Manaporofo ireo fanao ratsy ireo avokoa ireo fitaovana tratran’ny zandary tetsy Imerintsiatosika.
D.R