Toy ny firenena rehetra dia nankalaza ny andro maneran-tany iadiana amin’ny fanaintainana ny teto Madagasikara omaly alatsinainy 19 oktobra. Araka ny fifanarahana iraisam-pirenena dia ny alatsinainy fahatelo amin’ny volana oktobra no hanamarihana izany. Nisy araka izany ny valandresaka narahana adihevitra notarihin’ny vondrona «Inter Clud de Tana » sy ny fikambanana « Douleurs Sans Frontières Madagascar », ivondronan’ireo mpisehatra amin’ny ady sy fitsaboana ity karazan’aretina mpahazo ny daholo be ity, tao amin’ny « Le pavé Antaninarenina ». Lohahevitra nentina nanamarika izany dia ny hoe : «Ndao hiara-kiady amin’ny fanaintainana». «Manana zo tsy hahare fanaintainana ny marary rehetra, fa ny tsy fitarainan’ny marary no anisan’ny mahatonga azy ireo hiaritra fanaintainana», hoy Profesora Rakotoarison Nicole, Filohan’ny Clud CHUHJRA raha nanazava io lohahevitra io. Nambarany ary fa manana andraikitra hitaraina ny fanaitainana mahazo azy amin’ny mpitsabo ny marary. Efa maro, hoy izy, ny fanafody sy fitaovana mifandraika amin’ny filan’ny mpitsabo hampitoniana ny fanaintaianana eto amintsika ka tsy tokony hisalasala ireo voan’izany aretina izany hanatona mpitsabo. Ankoatra izay dia efa misy koa ny fiofanana mitohy ahafahan’ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra mampitombo ny fahalalany eo amin’izay sehatry ny fampitoniana ny fanaintainan’ny marary izay.
T.M.