Mpampianatra, « maitre fram » iray no saika hisolo-toerana ny vadiny tamin’ny taranja « mathematique » nandritra ity fanadinam-panjakana bakalorea ity tany amin’iny distrikan’i Farafangana. Karazana hevitra taingina ihany angamba ny an’ity ranamana ity satria dia nihevitra izy fa tsy ho tratra velively. Voalaza tokoa mantsy nosoloiny ny sariny ny tao amin’ny taratasim-pamantarana ireo mpiadina. Ny tsy hainy sy tsy voaheviny angamba dia fomba hanoloany an’ilay « vehivavy » ho « lehilahy ». Rehefa natao mantsy ny fitsirihana ny mombamomba ny mpiadina dia tsikaritr’ireo mpiambina fa tokony ho … vehivavy ilay mpiadina. Noraisim-potsiny « ramose » ary niaiky ny heloka vitany, izay marihana tokoa aloha fa dia fandikan-dalàna tsotr’izao, izay mety ho tonga hatrany amin’ny fanenjehana ara-pitsaràna mihitsy, ankoatry ny tsy fahazoana manala fanadinana ara-panjakana an-taonany maro.
Fa torak’izay ihany koa no nisy tany amin’iny distrikan’i Mananara Avaratra iny. Tamin’ity indray mitoraka ity indray ny nandritra ny laza adina filozofia. Olona mitovitovy aminy no indray no nasolon’ity tovolahy iray azy tany am-panalàna fanadinana. Soa ihany fa mailo ireo mpiambina tamin’ny fisavàna ireo taratasim-pamantarana vaky barara teo ny laingan’ireto mpiadina mpisoloky ireto. Efa natolotra ny mpitandro ny filaminana avokoa moa ireto mpanala fanadinana sandoka ireto.
m.L