- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Nolazaina fa mpamosavy, nosamborina avy hatrany

Anosy : Nolazaina fa mpamosavy, nosamborina avy hatrany

Poa toa izay dia nitangorona ny olona. Tovolahy iray manodidina ny roapolo taona no safotra ary nanintona ny maro ny zava-nisy. Nisy nahita mantsy ny fisian’ny rangahy iray efa lehibe izay nivavabavaka teo amin’ny manodidina. Taorian’izay dia nanatona ireo tanora izay nisy ilay tovolahy izy ary voakasiny (na nokasihana?) ny vatan’io farany izay tsy nahatsiaro tena avy hatrany. Vetivety ny filazàna fa mpamosavy ilay rangahy. Teo ary dia niantsoana pôlisy mihitsy ny raharaha ary ny olona dia tsy niala tamin’ilay rangahy izay notazomin’ireo hatramin’ny farany ho tompon’andraikitra tamin’ny zava-nisy. Teo amin’ny zaridaina eo ivelan’ny ministeran’ny raharaham-bahiny no nitranga ity toe-javatra hafahafa ity omaly manodidina ny mitataovovonana. Sadaikatra ihany ireo mpitandro ny filaminana satria etsy andaniny, nimenomenona ny olona ary toa ireny hanao fitsaram-bahoaka ireny. Etsy ankilany, sarotra ny hanaporofoana avy hatrany fa mpamosavy tokoa ilay rangahy. Ny hany azo natao dia ny fanerena ilay olona ny namerina ny ain’ilay tovolahy. Tsikaritra koa fa tsy hitan’ilay rangahy izay natao ary mba ho fiarovana ny ainy dia mody nivavaka nanala devoly teo izy. Tsy niverina ihany ny ain’ilay tovolahy raha tsy efa elaela kely taty aoriana. Teo no tapa-kevitra ny polisy ny namatotra rojovy ilay rangahy ary nitondra azy tetsy amin’ny biraon’ny BC etsy Anosy. Nantsoina teny koa ilay tovolahy ary dia nanokafana fanadihadiana izy roa lahy. Isan’ny noezahin’ny polisy nofantarina ny hoe misy aretina mitaiza ve ilay tovolahy ary sao mba nifandraika tamin’izany no naha-torana azy kanefa noho ny fifandrifian-javatra dia lasa noheverina ho toa ny mosavy ny zava-nisy. Rehefa nosavaina ny kitapo teny amin’ilay rangahy voarohirohy na koa voatondro molotra dia baiboly sy atotan-taratasy maromaro no tao anatiny. Betsaka ny nahafantatra azy avy hatrany raha vao niparitaka tamin’ny aterineto ny sariny. Ny ankabetsahany dia noho izy mangataka eny an-dàlana ary mikitika no tena nahalalàn’ny olona azy. Eny amin’iny manodidina an’i Soanierana iny no hanaovany izany. Misy koa ireo nilaza fa mpamonjy fivavahana eny 67ha izy ary mpandeha ireny toby masina ireny. Ankoatr’izay dia nisy ny nilaza fa tsy dia salama saina tsara izy raha araka ny zavatra hataony eny an-dàlam-be. Tamin’ny fotoana nanoratana dia mbola samy nohenoina tao amin’ny biraon’ny polisy ireo olona.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici