- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025

Tapatapany

# Ankazobe. Taxi-brousse voasakana. Taxi-brousse iray Sprinter, mampitohy an’Antananarivo sy Diego no nosakanan’ny jiolahy 6 mitam-basy, mirongo famaky sy sabatra, teo Andoharano, PK 106, distrika Ankazobe, ny alarobia alina lasa teo. Afa-nitsoaka ity fiara ity ka tsy nisy zavatra very na aina nafoy.

#Ambatofotsy. Lozam-pifamoivoizana, olona roa naratra. Ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 7ora hariva tany ho any, nisehoana lozam-pifamoivoizana, nandratrana olona roa teo Andreniranosatra, Distrika Antananarivo Atsimondrano, làlana mampitohy an’Ambatofotsy mankanyAndramasina iny. Fiara Mazda, iray no nifandona tamina taxi. Naratra tamin’izany ny roa tamin’ireo tao anaty Mazda, saingy tsy misy ahiana ny ainy.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser