- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Olona efatra novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Sambava : Olona efatra novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Efa tsy mifaditrovana intsony ! Fianakaviana iray, nahitana raim-pianakaviana 60 taona, renim-pianakaviana 45 taona, zazavavy 12 taona ary lahikely 7 taona no hita faty tao an-tranony; tao amin’ny fokontany Ankavia, Kaominina Anjangoveratra, 35 km miala an’i Sambava, ny talata lasa teo. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia olona nandalo maraina no nahita ireto fianakaviana ireto nivalampatra, nihoson-drà tao an-tranony. Novoina tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka ireto olona efatra ireto araka ny loharanom-baovao hatrany, satria dia notetitetehina famaky ny telo tamin’izy ireo ary nosemporina tamin’ny rano kosa ilay lahikely farany. Tsy nisy nanombinana mantsy ny fananan’izy mianakavy kely ireto, araka ny fantatra hatrany. Tsy nisy olona nahita na nahare ny antso vonjy ihany koa, satria raha ny fanazavana azo hatrany dia karazan’irony olona mitoka-monina irery anaty ala irony ity fianakaviana ity. 10 km miala ny tanàna, miditra anaty ala any no misy ny fonenan’ireto olona ireto. Hatreto dia mbola tsy fantatra ny anton’izao famonoana mahatsiravina izao. Ary efa an-dalam-pamotorana ny mikasika ity tranga ity ny zandary any an-toerana. Ary fantatra fa efa misy lehilahy roa, izay monina ao amin’io fokontany io, ahiahiana ho nahavanona izao famonoana olona mahatsiravina izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser