- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely : Efa indroa nisy namaky ilay hotely, mpiasa ao ihany no...

Analakely : Efa indroa nisy namaky ilay hotely, mpiasa ao ihany no atidoha

Nisy namaky ny biraon’ny tompon’ny hotely lehibe iray etsy Tsaralalàna, ny alin’ ny 27 septambra lasa teo. Entana mitentina 10 tapitrisa ariary no very tamin’izany. Nanao ny fanadihadiana ny Polisy rehefa nahazo ny fitarainana nataon’ny tompon’andraikitra avy ao amin’io hotely teo anivon’ny kaomisarian’ny Filaminam-bahoaka, boriborintany voalohany etsy Analakely, ny 28 septambra lasa teo. Nandritra izany no nahalalana fa mpiasa ao amin’io hotely io ihany no miray tsikombakomba amin’ireo jiolahy ka nanao izao asa ratsy izao. Nosamborina avy hatrany ireo mpiasa miisa 03 ka vehivavy ny 01. Ity vehivavy ity izay efa niasa an-taonany tao amin’ity trano fandraisam-bahiny lehibe ity ary miandraikitra ny fikirakirana vola amin’ilay hotely.

Fotoana fohy taorian’ny fisamborana an’ireto mpiasa ireto dia tra-tehaka ihany koa ireo jiolahy namaky ilay birao, ka miisa 03 ihany koa izy ireo, raha mbola tadiavina kosa ny vadin’ilay vehivavy mpiasa voatonona etsy ambony, izay fantatra fa anisan’ny nanao ny asa ratsy.

Tao anatin’ny famotorana no nahalalana fa efa in-droa nanofa « Chambre » tao amin’ilay hotely izy ireo nialoha ny hamakiany ilay birao, ary ny « coffre » no saika hovakiana, saingy tsy nety nisokatra izany ka izay entana tao no nalain’izy ireo. Marihina fa efa indroa nisy namaky ity hotely lehibe ity talohan’ity tranga niseho ity.

Rehefa natolotra ny fitsarana izy 06 mianadahy dia ny 05 tamin’izy ireo naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, nahazo fahafahana vonjimaika kosa ilay vehivavy.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici