Trano iray no nirodana tampoka tamin’ireo mpiasa, omaly tetsy Isotry. Lehilahy dimy no nianjeran’izany tao ary samy naratra mafy avokoa. Soa ihany fa nalaky voavonjy haingana. Tsy nisy nanampo ny zava-nitranga ny rehetra. Na izany aza anefa dia efa fantatra ihany fa tsy maintsy hitera-doza ilay trano. Raha ny vaovao azo hatrany mantsy dia efa somary antitra mihitsy ity trano ity. Ankevitry ny efa teo am-piomanana ny hanjera izany ny tompony, matoa nanakarama ireto mpiasa ireto hiasa tao amin’io trano io. Tamin’io omaly maraina io anefa, tonga tampoka tamin’ny ora tsy nampoizina ny loza. Avy hatrany dia nirodana ny ampahan’ny rindrina, ary nitarika ireo rindrina hafa, niafara tamin’ny firodanan’ilay trano tanteraka. Voafandrika tao anatiny tao ireto mpiasa dimy lahy ary nianjeran’ireo biriky sy ireo korontan-kazo rehetra tao. Henon’ireo fokonolona teo amin’ny manodidina izany loza nihatra tamin’ireo mpiasa izany, ka niolomay avokoa ny rehetra niezaka nanavotra ireto niharam-boina. Tonga nanampy ireto farany teny an-toerana ny mpitandro filaminana ary taty aoriandriana, raha ny vaovao azo, no tonga ireo mpamonjy voina. Noho ny herim-pon’ireo mpanavotra dia voasikotra tao anaty korontana avokoa izy dimilahy voatototra tao. Samy naratra ary saika voa mafy avokoa izy ireo, hoy hatrany ny angom-baovao azo, ary voatery nentina haingana nalefa teny amin’ny hôpitaly tetsy Ampefiloha. Efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa izy rehetra, raha ny loharanom-baovao azo ary efa tsy misy atahorana intsony ny ain’izy ireo. m.L
Articles qui pourraient vous intéresser