- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Olona tsy salama saina ilay voalaza fa mpamosavy

Anosy : Olona tsy salama saina ilay voalaza fa mpamosavy

Voaporofo nandritra ny fanadihadian’ny polisy fa olona efa nitsabo tena noho ny tsy fahasalamana ara-tsaina ilay nolazaina fa mpamosavy tetsy Anosy. Efa nanaraka fitsaboana teny anivon’ny tobim-pahasalamana izy tamin’ny taona 2008. Nivoaka teny rehefa vita izany, kanefa kosa mbola manohy fitsaboana izy any an-tranony. Nohazavain’ny polisy hatrany fa nivaha ary tsy nandeha tamin’ny tokony ho izy ny fanaraha-maso ny fitsaboany nandritra ny vanim-potoana fihibohana teo. Vokatr’izany dia niverina tsikelikely indray ny aretin-tsainy. Betsaka ny efa nahatsikaritra io rangahy io manatona olona ary mangataka eny an-dàlana. Tsy misalasala izy mikitika olona mandritra izany. Tetsy Anosy izany, raha zohina ny raharaha, dia nifanandrify tamin’io fanaony io ny tsy nahatsiarovan’ny tovolahy iray tena tampoka rehefa nokitihany. Vetivety foana dia voatondro molotra ho mpamosavy ny tenany. Hitan’ny olona rahateo ny zava-nitranga ary dia faran’izay haingana ny fanendrikendrehana. Rehefa nentina teny amin’ny polisy tetsy Anosy, satria tokoa raràn’ny lalàna ny famosaviana, ary nanokafana fanadihadiana dia nivoaka tsikelikely ny marina. Nantsoina ny havany ary ireo farany no nitondra avy hatrany ny taratasy fanamarinana avy any amin’ny mpitsabo. Tsy salama saina tokoa ilay rangahy. Nentina teny amin’ny fampanoavana ny harivan’ny nisamborana azy izy ary rehefa izany dia afaka nody. Na izany aza anefa dia nodidiana ny fanaterana azy mba hotsaboina eny anivon’ny tobin’ny marary saina, raha araka ny fanazavan’ny polisy hatrany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici